Ambodivona Antananarivo – Mitady hanao amboletra haka ny tanin’ny mponina ilay karana

Stefa

Araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, mitady hanao amboletra haka ny tanin’ny mponina etsy Ambodivona Antananarivo, ilay karana voalaza fa nomen’ny tompon’andraikitra izany tany izany.

Ankoatra izany ihany koa, araky ny vaovao azo teny an-toerana dia nisy olona voakarama tonga maraina teny Ambodivona saika handoro ny tanàna. Nisy mpanofa-trano handeha hiasa, ka vao lasa kelikely izy dia nirehitra ny afo. Hoy ireo fokonolona, misy namadika tamin’izy ireo, ka nifampiraharaha tamin’ilay karàna, dia nanaiky ny hiala. Olona 4 izy ireo ary fantatry ny fokonolona hoe iza avy.

Noho izany dia tsy manaiky intsony ny fokonolona, fa mitady hanala azy ireo amin’ny fomba feno habibiana ilay karàna, mitady ny handoro ny tanàna.

Tafo miisa 52 no eo amin’izany toerana izany, efa 40 taona izy ireo no teo amin’io toerana io, ka miantso ny tompon’andraikitra hijery akaiky izao raharaha izao.