Fiovaovan-kevitra lava – Mpitondra tsy matotra mbola mifanahin-jaza no misy eto amintsika

Sôh’son

Miha-teren’ny olana maro samihafa ny firenena ankehitriny. Fahaterena izay zary manaraka ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka andavanandro, ary zotra tokana tsy misy lalan-kivoahana. Sarotra araka izany ny hoavin’ilay vahoaka malagasy, vao mainka ihany koa miha-mafy izany ka zary manahirana ny vahoaka ny fiovaovam-pitenenana ataon’ny fitondrana. Anisan’izany ny voaresaka afak’omaly, momba ny kianjan’ny demôkrasia eo Ambohijatovo. Tsy nisy izay tsy nahatsiaro, fa nanaovana fankalazana be io toerana io tamin’ny fotoan’andro, niketrehana ny fanonganam-panjakana. Nony efa azo izay nokendrena dia nofoanana ny maha kianjan’ny demôkrasia azy ary ary avy eo tsy nisy niahotra ny mpitondra namadika azy ho valan-javaboahary io. Niaraha-nahita taorian’izany fa nihafihafy kely ilay toerana nananganana ny tsangambato fahatsiarovana ny Profesora Zafy Albert Rain’ny demôkrasia. Mifanalavitra tanteraka amin’ny an-dry Hô Chi Minh eny Ampefiloha, ohatra.

Vao tsy ela ihany koa, niarahan’ny maro nandre tsara ny nambaran’i Andry Rajoelina momba ny hevitry ny Miami nokasaina haorina any Toamasina. Aiza koa no hisy Miami malagasy izany? Misy malaza koa ny tanàna any amin’ny firenen-kafa, fa tsy misy firenena manao izany, ka atao mifandraika ny misy any aminy. Mamono ny hasina sy tsy maneho ny maha izy azy ilay ao amin’ny firenena izany. Midika ho zavatra hafa ihany koa anefa izany ho an’ny mpandinika ny raharaham-pirenena, ka ilazany fa tsy fahavitana ny nambara no anton’izany fanamboaramboaran-kevitra izany. Mitovitovy amin’ilay fakana tahaka be fahatany tamin’ilay nambarany hoe “plan Marshall” izany. Toe-javatra tsy mifandray mihitsy sy sasanangy roa samihafa anefa izany hoan’ny mpahay tantara.

Ny fiovan-kevitra tamin’ny nambara nandritry ny fampielezan-kevitra tsy adino. Nambara fa hofoanana ny Antenimierandoholona rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Iaraha-mahita tsara anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Inona indray koa no hovaina manaraka? Ireny filazana miovaova ireny dia hisy akony eo amin’ny toe-tsain’ny vahoaka malagasy ary ho lasa lasin-tsaina eo aminy mahakasika ny mpitondra azy. Ilay fandaingana sy fiovaovan-kevitra lavitra dia midika, fa mpitondra tsy matotra mbola mifanahin-jaza no misy eto amintsika.