Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana – Maro ireo lesoka sy tsy fahatomombanana, tsy hiray petsapetsa ny TIM

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraly nasiônaliny, Rina Randriamasinoro.

Tapa-bolana katroka izao no nanombohan’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Tsapa fa tsy manaraka ny fenitra araka ny tokony ho izy, satria maro loatra ireo lesoka sy tsy fahatomombanana hita ka santionany amin’izany ireto:

Opération jugements supplétif
Mikasika ny Opération jugements supplétif sy ny karapanondrom-pirenena: betsaka ireo kaominina no mbola tsy nanomboka; tsy ampy ny fanentenana ny vahoaka; tsy ampy ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana ary ny fanamarinana atao amin’ny olona mandritra ny fotoam-pitsaràna, ka toa zary manome lalana ny olona sasany hanana CIN maromaro. Izany dia mety hitarika ny fisian’ny doublons indray.

Mikasika ny fanisàna ny mpifidy
Betsaka ny fokontany, no mbola tsy manomboka akory hatramin’izao. Maro ireo olona no tsy mandray ireo mpanisa ny mpifidy tonga any antokan-tranony. Tsy mitovy sy tsy ampy ny fitaovana ampiasan’ny mpanisa mpifidy manerana ny Nosy. Misy fanisàna mpifidy ataon’ny filoham-pokontany sy ny ekipany ankoatry ny ataon’ny mpanisa mipifidy avy amin’ny CENI, izany hoe misy recensements parallèles. Mbola misy ireo mampiasa ny lisitry ny mpifidy teo aloha. Maro ny CLRE, no tsy mamela ny solontenan’ny antoko politika hanara-maso ny asa fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Ireo tsy fahatomombanana ireo dia midika fa tsy ho tanteraka ny fanaovana ny LISITRY NY MPIFIDY; ho FENO, sy MADIO, ARY MARINA, izay fototra ahafahana manatanteraka fifidianana marina, mangarahara, ary eken’ny rehetra.

Sarintsarina fanavaozana
Noho ireo antony voalaza ireo ary, rehefa nivory ny biraon’ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA dia manao izao fanambaràna izao: lavinay izao fomba fiasa sarintsarina fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao satria ho lisitra tsy azo antoka no hivoaka eo.

Manome toromarika ny mpikambana rehetra ato anatin’ny Antoko araka izany tsy hiditra ary tsy hiray petsapetsa amin’io fandrafetana lisi-pifidianana io. Ambaranay fa tsy afaka hanomana fifidianana marina sy tsy mitanila ny CENI amin’izao hendriny izao. Takianay hatrany fa ny fanaovana ny fikaonandoham-pirenena, na ny Concertation Nationale ihany, no làlana hahafahana mitondra vahaolana amin’ireo fifidianana ho avy rehetra.