Filoha Ravalomanana tany Ambatofotsikely – Faratsiho Nizara fahaizana momba ny « leadership » kristiana

Isambilo

Nizara ny fahaizany momba ny antsoina hoe: ”leadership” kristiana, na fahaiza-mitarika eo amin’ny kristiana tany amin’ny FJKM Ambatofotsikely any amin’ny distrikan’i Faratsiho faritra Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo ny filoha Marc Ravalomanana. Izy dia efa anisan’ny nahazo mari-pankasitrahana voalohany taty Afrika amin’izay resaka fahaiza-mitarika izay, fahaiza-mitarika amin’ny ankapobeny fa tsy eo amin’ny sehatra kristiana ihany, niara-nahazo amboara taminy tamin’izay fotoana izay ny filohan’i Rwanda Paul Kagame.

Nanambara ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo io fa: ”nitondra anjara fampiofanana “Leadership” sy nanatrika ny fanolorana ny Prezidà Synodaly Andriamihajamahaleo Josoa, Mpitandrina mivady tao amin’ny Fitandremana Ambatofotsikely Fahamarinana, Faratsiho aho ny sabotsy teo ». Zava-dehibe tsy ho an’ny kristiana ihany, fa ho an’ny rehetra ny fahaiza-mitarika, hahafahana mitondra ho amin’ny fampandrosoana ny olombelona, sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny, hoy ny filoha Ravalomanana.

Fiangonana maromaro eto amin’ny Nosy no efa nizarany izay fahaizany momba ny “leadership” izay, ary tsy amin’ny sehatry ny finoana ihany no izarany izany fahaizany izany, fa amin’ny sehatra rehetra izay mitady azy.