Filoha Marc Ravalomanana mivady – Nanome voninahitra ny katolika sy ny JMJ MADA X

Helisoa

Tonga niaraka niombom-bavaka tamin’ireo mpino Katolika nandritra ny fihaonamben’ny tanora JMJ X MADA tany Antsirabe ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Hita tao anatiny ny hafaliana nanatrika ity fihaonana ity satria horakoram-pifaliana no nandraisan’ireo mpino azy.

“Mitsangana fa ataoko vavolombelon’ny zavatra efa hitanao ianao”, Asa toko faha 26 and 16. Io no andinin-tsoratra masina nanamarihana ity fotoambavaka lehibe ity. Fa taorian’ny vavaka famaranana ny JMJ andiany faha 10 tany Antsirabe ity dia nisy ny resadresaka fohy nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny mpanao gazety. Tokony mametraka, alohan’ny zavatra rehetra an’ Andriamanitra aloha isika izay vao mipetraka mandinika dia mihaona.

Rehefa avy eo mijoro amin’ny fahamarinana, fa lalana sy fahamarinana i Kristy. Tandremo tsara hoy izy fa misy mitady handika vilana a! ny olona mino an’Andriamanitra tsy mba manana fisainana hafa mihitsy. Tsy nofo aman-dra akory no hiadivana, tsy ilay olona no iadivantsika, fa ilay fanahy ratsy izay tonga ao anatin’ilay olona, ka mampivily ny sainy.
.