Fampidirana mpianatra – Sempotra tanteraka ireo ray amandreny

Sôh’son

Nanomboka omaly alatsinainy no niverina an-tsekoly ny mpianatra ary miatrika indray ny taom-pianarana vaovao 2022-2023. Sempotra tanteraka ireo ray aman-dreny marobe tamin’ny fanomanana sy fampidirana an-tsekoly ny zanany. Niaraha-nahalala tsara ny fidangan’ny vidin-javatra toy ny fitaovam-pianarana sy ny kojakoja samihafa mifandraika amin’izay fianarana izay. Nanampy trotraka ihany koa ankehitriny ny fisondrotry ny saran-dalana ka mampitombo ny fandaniana ao an-tokantrano. Zaza madinika sy ny kilonga ve hoentina mandeha dia an-tongotra lava maraina sy hariva eo, ho reraka izy ireo tsy hahavita n’inona n’inona intsony aoriana kely sy tsy hiasa firy ny sainy any am-pianarana. Fatiantoka lehibe ho an’ny ray aman-dreny sy ny ankizy ny vokatr’izany satria sady lany vola, no lany fotoana ka hisy fiantraikany ihany koa any amin’ny vokatry ny fianarana.

Niady irery ireo ray aman-dreny niatrika ny fampidirana an-tsekoly ny zanany. Tsy hita izay mba fanampian’ny fitondrana, fa niendrika fampiresahana ny vahoaka aza no betsaka. Nambarany mantsy fa hoe maimaim-poana ny fianarana amin’ireny sekolim-panjakana ireny kanefa nahavariana sy nampieritreritra ny fahitana ireo nilahatra teny amin’ny banky maro samihafa teto an-drenivohitra nandoa vola ho an’ny sekoly hianaran’ny ankizy. Tsy mitombina ny hoe tsy mandoa vola sy maimaim-poana ny fianarana any amin’ny sekolim-panjakana, fa tsy nisy ray aman-dreny nandefa bôjy ny zanany nianatra izany. Miendrika famitaham-bahoaka izany. Misy aza hatramin’izao ray aman-dreny mbola tsy nahavidy ny fitaovam-pianaran’ny zanany.

Ny tsapa ihany koa, dia alaim-panahy, na variana fotsiny amin’ny fotoana fidiran’ny mpianatra toy izao ny tomponandraiki-panjakana eo anivon’ny seha-pampianarana. Rehefa milamina ho azy ireo ny fidiran’ny mpianatra toy izao, dia ampy izay aloha ary vita ny asa. Adino sy tsy voasaina mihitsy amin’io ireo zaza tsy tafiditra an-tsekoly mirenireny fotsiny eny rehetra eny. Noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreniny sy ny fahantrany lalina mihitsy no anton’izany. Tsy nisy mazava hatreto ny ezaka nataon’ny fitondrana momba azy ireo, na ny fanampiana ireo ray aman-dreniny. Fanentanana hatrany no ataon’ny fitondrana amin’ny fampidiran’ny ray aman-dreny ny zanany an-tsekoly, f’angaha izy ity vitan-dresaka fotsiny toy izany? Mitabataba sy misehoseho ery ireo fikambanana milaza ho mpiaro ny zon’ny ankizy isaky ny volana jona, kanefa tsy re feo sy hita akory izy ireo amin’ny tranga toy izao fampidirana an-tsekoly ny mpianatra izao. Miendrika fisehosehoana no betsaka, fa ny asa mivaingana tsy hita mazava.

Olana vitsivitsy ihany amin’ireo tranga marobe atrehin’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo voaresaka ireo. Ity seha-panabeazana sy fampianarana ity no anisan’ny be olana tsy voavaha indrindra eto amin’ny firenena. Itarafana mazava tsara ny tsy fahombiazan’izao fitondrana Rajoelina izao io.