Bongolova, Kominina Fihaonana faritra Bongolava – Maka vola tsy misy Rosia ny delege sy Prefektiora Tsiroanomandidy

Valosoa

Velon-taraina ny vahoaka ao aminy Faritra Bongolova distrikany Tsiroanomandidy kominina Fihaonana noho ny fakana vola mihoam-pampana ataon’ireo delegem-panjakana sy ny Prefektiora ao Tsiroanomandidy.

Tonga nilanja sora-baventy nanoloana ny biraon’ny Kominina ireo tantsaha nentin’izy ireo nanehoana ny tsindry hazo lena sy fakana vola tsy ara drariny mahazo azy. Handoavan’ny tantsaha vola 3500ar ny omby rehefa maty ary 55.000 ar isaky ny omby kosa no aloha aminy FIB raha 50.000 ar izany teo aloha, kanefa sady tsy misy rosia. Ny vola aloha ao aminy prefet indray raha hanao fasana 400.000ar hatramin’ny 600.000ar, ny “autorisation” hanaovana famadihana handoavana vola fa tsy misy rosia ary farany ny fanavaozana taratasim-basy tsy misy rosia ihany koa kanefa nakarina 70.000 ar hoy ireto olona nilanja sora-baventy ireo.

Nanamafy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tantsaha ny ben’ny Tanàna kominina fihaonana fa ny Prefet no maniraka ireo delege any aminy Boriborintany hanao io fitakiam-bola tsy misy rosia io satria na dia efa nandefasan’ireo sefo fokotany fitarainana an -tsoratra ny 26 jolay 2022 lasa teo tany amin’ity farany fa tsy nisy ny fepetra mba noraisiny. Efa maro ny tatitra natao taminy prefet fa tsy nisy fandraisana Andraikitra na dia iray aza. Efa nisy hoy ny ben’ny Tanàna ny fitarainana natao tany aminy Ministera ny hanoloana ny prefet tsiroanomandidy sy ny delege Boriborintany kominina Fihaonana satria efa tsy rariny loatra ny fakana vola atao amin’ireo vahoaka, nefa tsy hita hoe alefa aiza izany vola izany.

Andrasana izay mety fanazavana ho entin’ny préfet Tsiroanomandidy sy ny delege boriborintany ao aminy kaominina Fihaonana mikasika ity raharaha ity satria samy tsy tao an-toerana izy ireo taminy fotoana nandalovan’ny mpanao gazety tao Tsiroanomandidy.