Vokatra fanondrana 24000 Ar eo ny vidina singana lavanila iray any ivelany

Aly

24000 Ar eo ny vidina singana lavanila iray, na gousse de vanille iray any ivelany.

Arak’izany, lafo vidy tokoa ity vokatra fanondrana anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ity any ivelany, ny vidin’izany vokatra izany eny amin’ny tantsaha mpamokatra eto amintsika anefa dia azo lazaina ho ambany ihany, satria noferan’ny fitondrana ho 70000 Ar ny vidin’ny iray kilao, amin’ny faritra sasany aza anefa, mora lavitra noho izany ny vidiny: 20000 Ar, na tafidina hatramin’ny 15000 Ar akory aza.

Arak’izany, mahazo tombony be tokoa ny mpanondrana ity vokatra fanondrana ity eto amintsika, raha tarafina amin’io vidina lavanila singany iray io. Ny 1 kg lavanila maitso dia hahitana voana lavanila 36 ka hatramin’ny 40. 5 kg lavanila maitso anefa no hahazoana 1 kg lavanila masaka, noho izany ny lavanila masaka 1 kg mety misy voany na singana lavanila 180 ka hatramin’ny 200 isa.

Eo amin’ny tsena iraisam-pirenena noho izany, ny lavanila masaka 1 kg dia mety hahazoana hatramin’ny 4,8 tapitrisa Ar ny vidiny na 4.800.000 Ar.