Andriankely Ambohimiadana Andramasina – Loza, lasan’olon-tsotra ny faritr’ala miantoka ny rano sotroin’Antananarivo

Nangonin’Isambilo

Zava-doza ny zava-mitranga any Andriankely kaominina Ambohimiadana distrikan’Andramasina faritra Analamanga amin’izao fotoana, satria lasan’olon-tsotra ny faritra ala miantoka ny rano sotroin’Antananarivo sy ny manodidina. Manoloana izany, nisy ny fanambarana nataon’ireo fiarahamonim-pirenena : Rohy : Rindran’ny Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana, ny Tafo Mihaavo ary ny AVG na ny Alliance Voahary Gasy :

Tsy ekena

« Tsy ekena ny fanaovana tsindry ireo Fokonolona sy ireo VOI izay manao ny aina tsy ho zavatra ho fiarovana ny Tontolo iainana ho tombotsoa iombonana,tsy rariny ny fitsaràna ny raharaha tontolo iainana. Ny Fiarovana ny Tontolo Iainana dia andraikitry ny rehetra ary ny Fanjakana dia manome lanja ireo Fokonolona izay solontenan’ireo Vondron’olona Ifotony amin’ny alalany lalàna 96-025, izay manamafy ny fandraisan’ireo Olona eny Ifotony amin’ny fitantanana maharitra ireo Harena Voajanahary. Ka manoloana ny zava-misy ao amin’ny Faritr’Ala ao Tsiazompaniry tantanin’ny VOI Tsarafara ao Andriankely Fokontany Manandriana, Kaominina Ambohimiadana, Distrika Andramasina , Faritra Analamanga, izay faritr’Ala miantoka ny Rano sotroin’ny Renivohitra Antananarivo ary ny VOI Tsarafara, no mitantanana izany nandritra ny 20 taona latsaka nanomboka ny taona 2004 dia indro ankehitriny fa lasan’olona tsotra.

Onitra

Tsara ho marihina fa efa resy in-telo io olona iray io ary in-telo nomena rariny ny VOI nandritra ny fitsarana natao tany Ambatolampy ary misaotra ireo mpiasan’ny Fitsarana, sy ireo Sampan-draharaham-panjakana maromaro toy ny DREDD, ny Fananan-tany, ny Mpitandro filaminana, ny Distrika ary ny Kaominina sns… nefa rehefa nampiakatra ny raharaha aty Antananarivo ilay olona midongy an’ilay tany dia resy ireo Fokonolona/VOI ary miala avy hatrany amin’ilay toerana ary mandoa onitra 10 tapitrisa araka ny didy navoakan’ny Fitsarana ny 17 Aogositra 2022. Manoloana io zava-misy io dia manaitra antsika Fitondram-panjakana tandrify izahay Firaisamonimpirenena tarihin’ny Hetsika ROHY sy ny mpiara-dia aminy, anisan’izany ny TAFOMIHAAVO, ny Alliance Voahary Gasy,sns… izay mitarika ny loha-hevitra Tontolo Iainana ary eo ihany koa, ireo mpamatsy vola izay tsy nikely soroka ary nitondra fanampiana ara-bola sy ara-teknika hoentina miaro izany toerana sarobidy sy saro-pady izany, miantoka ny hoavin’ny Renivohitra sy ireo mponina ao aminy, satria io toerana io no ivon’ny loharano ivoahan’ny rano mamatsy ny aty Antananarivo.

Hamafisina ihany koa fa araka ny lalàna, ny toerana iray raha nahazo famindram-pitantanana dia azo lazaina fa efa misy manajary ary ireo Fokonolona ireo amin’alalan’ny fahazoandalana avy amin’ny MEDD no miaro sy manajary izany tany izany ary efa betsaka ireo asa fanajariana efa natao tamin’izany toerana izany nanomboka tamin’ny 2002, ka hatramin’izao, toy ny fambolena ireto karazana hazo izay amin’ny velarana maro toy ny Kininina (Eucalyptus), Kafe Robusta, sy ireo karazana hazo zanatany maro samihafa sns… dia izay no nahatonga ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy nanome ny fanohizana ny fitantanana ho an’ny 10 taona manaraka indray nanomboka ny volana Desambra 2021 noho ireo fahombiazana ireo. Ka eto izahay dia mangataka ny avy ao amin’ny Fitsarana sy ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra, satria tena tsy ekena ny fanaovana tsindry ireo Fokonolona sy ireo VOI, izay manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny Tontolo iainana izao, ho tombontsoa iombonana. Tsara hamafisina anefa fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ireo Fokonolona / VOI, anisany ohatra azo lazaina ny olana nisy izay fery mbola mipetraka eo anivon’ny mpiaro ny Tontolo iainana ary mbola tsy miravona ny tranga natao tamin’Itompokolahy RAKATOARISOA Henri, Filohan’ny VOI nonina tao Ankazondandy izay novonoin’ireo tsy mahataotody ary manome vahana ireo mpanao tsindry ny toejavatra misy toy ny misy amin’izao,» hoy ny fanambarana.