Raharaha tany Ikongo – Tsy atokisan’ny vahoaka intsony ny fanjakana hoy ny filoha Ravalomanana

Ny Valosoa

Manoloana ny vono olona maro nitranga tany Ikongo faritra Fitovinany, nisy ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM:

“Ry vahoaka Malagasy, tezitra sady malahelo ny tenako manoloana ny vonoin’olona nitranga tany Ikongo. Tsy afaka ny hangina aho satria Malagasy mitovy amiko izy ireo.

Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery amin’ireo olona tsy manan-tsiny. Mampahatsiahy fa ny tafika, ny zandary, ny polisy, ny miaramila dia natao fitaovana iarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany, hiaro azy amin’ny ainy fa tsy natao hamono azy. Lasa fitaovana famoretana, fampiasana ny jadona, lasa natao iarovana ny fahefana ambony, iarovana ireo tombontsoan’ny mpanana sy olombitsy mila fiambenana, fa tsy araka ny asany. Matoa izao mitranga dia tsy matoky intsony ny fanjakana ny vahoaka Malagasy, tsy matoky intsony ny fitsarana matoa misy izao “vindicte populaire” izao na fitsaram-bahoaka…

Aiza ny sefo distrika izay natao ho solontenam-panjakana amin’ireny toerana ireny, manelanelana ireo zandary sy vahoaka, hifampidinika sy hifampiresaka? Fa tonga dia natao tifitra variraraka. Amintsika miresaka izao dia misy 23 no voalazan’ity gazety ity… 46 ireo maratra mbola tsaboina. Eto aho dia miondrika am-panajana amin’alahelo tanteraka amin’ireo fianakaviana, havan’ireo maty, ary mampahery ireo mitsabo tena mba ho sitrana haingana.

Manainga ny olompirenena rehetra aho samy hahatsiaro ny andraikitra sy adidy amin’ny toerana misy azy avy. Fantatra fa samy Malagasy isika. Iaraha-mahita fa miteny amin’ny teny iray isika eto Madagasikara. Tokony hifamonjy isika, hifanampy. Ireo izay nanatanteraka ny loza amin’antambo dia tokony hilaza amin’ny vahoaka ny vokatra ataony. Nisy ny tany Ikongo, nisy ny tany Ankazobe roa volana lasa izay, ary nisy tany Sakay. Aiza ho aiza ny vokatr’ireny zavatra niseho ireny. Mbola mamerina ihany aho fa misy eto amin’ity firenena ity ny atao hoe krizy. Misy eto amin’ity firenena ity ny antsoina hoe “terrorisme d’état”.

Ry mpitandro filaminana, ianareo izay mahafantara sy mahatsiaro tena tsara, tsy ny fahefana hanananareo amin’iny fitaovam-piadiana mahery vaika iny no izy, fa ny feon’ny fieritreretanareo. Tsy miady amin’ny nofo aman-drà ianareo, fa amin’ny fanahy ratsy izay manidintsidina eny amin’ny rivotra. Aoka ianareo handinika tsara vao mampiasa an’ireny. Mafy koa raha mafy ny manjo ny vahoaka Malagasy, miaina amin’ny tebiteby, miaina amin’ny tsy fananambola, miaina amin’ny tahotra sy horohoro. Ka dia mangataka amin’Andriamanitra isika, mba omeny fanahy am-pahendrena ireo, mba tsy hamono foana, tsy hampitahotra ny vahoaka Malagasy.

Mahaiza mionona ry izy mianakavy tompom-pahoriana sy mana-manjo, fa izao no hetraketraky ny olona miara-miaina amintsika. Tsy hetraketraky ny tany, fa fanahy iniana mihitsy ny namoana olona. Ary ianareo izay tsaboina, ho sitrana soa aman-tsara.
Dia homba antsika mandrakariva Andriamanitra.”