Rajoelina Andry – Tompon-daka fahatany amin’ny sehatra maromaro

Andry Tsiavalona

Efa maro izay naha-tompondaka ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry Nirina, izay tsy mbola nisy nananan’ireo Filoha nifandimby teto nandritra ny enimpolo taona niverenan’ny fahaleovantena izay. Tompon-daka maromaro tamin’ny sehatra maromaro tokoa ny tenany. Azo eritreretina fa matoa nahasokatra ny toeram-pialamboly sy fandihizana naha dj azy dia mety ho tompondaka ihany koa izy tamin’ity sehatra ity. Tamin’ny fahatanorany ihany koa, araka ny nambarany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny vahoakan’i Toliara, dia efa tompondaka in-dimy teo amin’ny haiady karate izy. Tsy nolazainy kosa anefa hoe tamin’ny tempana inona avy na tamin’ny sokajy inona avy no naha-tompodaka azy.

Namoaka didy tsy azo ivalozana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa Rajoelina Andry ny lany ho filohan’ny Repoblika IV andiany faharoa. Niarahaba azy ny mpifaninana taminy nandritra ny fihodinana faharoa. Fotoana fohy taty aoriana anefa dia nanambara ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana tamin’izany, fa nisy « doublon » mihoatry ny iray tapitrisa sy hosoka samihafa nanampy izany. Raha ity tranga ity no jerena dia azo lazaina ho tompondaka amin’ny hosoka sy hala-bato izany ny filohan’ny Repoblika Rajoelina sy ny ekipany, ka tokony homena amboara.

Tato anatin’ny efatra taona latsaka kely naha filohan’ny Repoblika azy izay dia efa tompondaka tamin’ny fanabezan’aizana izy, ka ny nampametram-panontaniana dia tamin’ireo zaza naterany ve no tena nanara-penitra ny fanabeazan’aizana sa salan’isan’ny vehivavy nahay nandrindra ny fiterahany rehetra teto Madagasikara, no nahazoany ity amboara ity. Raha itsy voalohany no nahazoany amboara dia rariny sy hitsiny izany, fa raha ny faharoa kosa dia tokony ho ny minisitera izay nanolotra ny amboara no tokony notolorana izany ka izy filohan’ny Repoblika no nanolotra izany ho an’ny minisitra misahana ny Fahasalamam-bahoaka.

Azo heverina ihany koa fa raha nahazoam-bokatra araka ny nieritreretany azy ny CVO, izay niandrandrany ny mason’izao tontolo izao nitodika taty Madagasikara, dia ho nahazo amboara tamin’ny maha tompondaka azy eo amin’ny sehatry ny famokarana fanofody biolojika koa Rajoelina Andry. Efa nanangana ny orinasa PharMalagasy izay niheverany ho orinasa hamokatra fanafody ho jifaina manerantany izy, tsy mbola nahitam-bokatra anefa ity orinasa ity hatramin’izao.

Namonjy ny fivorian’ny sampan’ny Firenena Mikambana tany Vienne-Autriche ny filohan’ny Repoblika, ka tena nanaitra ny Malagasy tsy vakivolo tokoa ny nanoloran’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana, ONUDI, amboara amin’ny maha tompondaka (champion) azy eo amin’ny fananganana indostria. Rehefa jerena anefa ny zava-bitan’izao fitondrana Rajoelina Andry izao eo amin’ny sehatry ny ozinina fanodinana akora fototra dia diso fanantenana ny maro. Tsiahivina ireo « fanomeza toky » nataony tany amin’ireo faritra notsidihany. Tany amin’ny Faritra Vakinakaratra dia nilaza teo imasom-bahoaka fa hanangana ozinina hanodinana ny vokatry ny tantsaha toy ny legioma sy voankazo izay hatao am-by fotsy dia haondrana any ivelany. Tsy mbola nisy nitsangana izany na iray aza ary ny ozinina « Tiko » nanodina ronono ho « yaourt » sy dobera ary fromazy aza nataon’izao fitondrana izao izay nanakatonana azy. Very asa ny olona amin’arivony ary sarotra ho an’ny tantsaha no mahita mpanjifa ny ronono vokariny. Nankalazaina ny fananganana ny ozinina hanamboatra fiarakodia nomena anarana “Gasy Car”. Efa niparitaka tany ivelany tany ny maketin’ny fiara sy “moto” mitondra io anarana io kanefa dia tsy mbola napetraka ny vato fehizoron’izany ozinina izany hatramin’izao. Tonga tany Ambilobe ny vadin’ny filohan’ny Repoblika nametraka ny “vato fototra” ny ozinina hamokatra “ethanol” hitsinjovana ny mety tsy fisian’ny lasantsy. Ny vato fototra no napetraka fa ny ozinina tsy mbola tafatsangana hatramin’izao. Lasa kabary ambony vavahady ihany ny nilazan’ny filohan’ny Repoblika hanangana ozinina goavana hamokarana simenitra hamatsy ny aty amin’ny faritra Ranomasimbe Indiana. Na simenitra iray lasaka aza tsy mbola novokarin’izany ozinina izany, tsy mbola hita eny amin’ny mpivarotra akora fanorenana trano.

Ny fanontaniana eo am-bavan’ny Malagasy dia taiza ary oviana no nisy solontenan’ity Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana nahita ozinina maro nitsangana teto Madagasikara ka nanosotra an-dRajoelina Andry ho tompondaka amin’ny fananganana indostria ? Raha fanitsakitsahana ny lalàna velona sy ny tsy fanajana ny teny nomeny eto Madagasikara no resahina dia tompondaka amin’izany ny fitondrana Rajoelina Andry.