Tsy araka ny nambaran-dRoland Ratsiraka – Tsy ho lany intsony na hangala-bato aza ny filoha Rajoelina

Ny Valosoa

Tsara fanahy sady mitsinjo ny fihavanana ny Depiote Roland Ratsiraka, izay nilaza fa tsy ho lany intsony ny filoha ankehitriny raha tsy mangalabato, izay naheno io fanambarana io dia samy niaiky fa marina io voalazan’ny Solombavambahoakan’i Toamasina io.

Tena marina tokoa ary tsy diso mihitsy, mazava ny tian’ny Depiote Roland Ratsiraka ho lazaina, tokony hizotra amin’ny fahadiovana sy amin-kalalahana ny fifidianana, tsy hisian’ny “doublons”sy izay endriky ny hosoka mety hitranga.

Mbola mahakely finoana anefa, ny hisian’ny fahadio-van’ny fifidianana raha mbola ireo olona ao anatin’ny rafitra misy amin’izao fotoana izao toy ny “Ceni “sy “Hcc”, no mbola hikirakira ny fifidianana, kanefa tsy misy ny fomba hahafahana manala ny fahefana amin’ireo rafitra ireo raha tsy ny fihaonambem-pirenena ihany.

Fa rehefa dinihina amin’ny saina tony, sanatria tsy hoe mandiso ny nambaran’ny “Honorable Roland Ratsiraka”, fa efa hita mibaribary fa tena mihendanja tanteraka ny filoha ankehitriny, manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy, tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny sehatra rehetra, ary manaporofo izany ny tsy fahafahana mandoa ara-potoana ireo “karama, vatsimpianarana, volan’ny orinasa, sns…”, tsy voafehy ny vidin’entana, ny lalana rehetra manerana ny Nosy potika tanteraka tsy misy fanamboarana, izay nampanantenaina tsy nisy tanteraka, fa miala ilany sy manilika ny tsy fahombiazana amin’ny “koronaviriosy” sy ny ady any “Ukraine”, fa ny tena manahirana tsy misy ny tamberin’andraikitra sitrahan’ireo vahoaka izay trongisina lava amin’ny fandoavambola isak’izay mihetsika, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manginy fotsiny, ireo mpitandro ny filaminana anefa karamaina hiambina ny ” Kianjan’i Magro”. Any amin’ny toerana sasany mahamay be ny herisetra tsy ahitana na dia tamingan’ny mpitandro filaminana aza, fa ny tena tsy zakan’ny saina eritreretina sanatria tsy hoe “manao ory havamanana”, f’ireo mpitondra dia migalabona amin’ny harembe kanefa ny vahoaka zara raha mahita harapaka.

Ireo voalaza rehetra ireo dia ahatsapan’ny olompirenena rehetra, fa tsy afaka intsony ny fitondrana amin’izao fotoana izao sy efa ampy ilazana fa efa miala tanteraka amin’i Andry Rajoelina ny vahoaka rehetra manerana an’i Madagasikara, ka na hangalabato aza izy sy ny forongony tsy ho tafavoaka intsony, satria efa tena latsaka ambany tanteraka ny lanjany, izany anefa tsy milaza hoe tsy tokony harahimaso ny fifidianana na havela hanao izay danin’ny kibony ireo olona ao anatin’ny “Ceni” sy ” Hcc”, na koa tsy tokony hirosoana ny fihaonambemprenena, fa mila mahatoky ny vahoaka tofoky ny fahantrana fa tsy ho voafitak’i Andry Rajoelina intsony ireo izay nifidy azy, ary ny azo antoka dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy haneken’i Andry Rajoelina ny firosoana amin’ny fihaonambempirenena, amin’izay fotoana izay dia mila mailo tanteraka ny olompirenena rehetra, fa mety ao indray izy no hametraka ny teti-dratsiny.