EDITO 6 Aogositra – Sahirana tanteraka ny vahoaka noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra

Helisoa

Sahirana tanteraka ny vahoaka Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra tarihan’ny filoha Rajoelina. Tapaka lava tsy misy fiafaràny ny jiro sy rano; nefa tsy misy vahaolana na efa nodradradradraina nandritra ny fampielezan-kevitra aza, fa ahena ny vidin’ny jiro, ampitomboina ny tanjaka omen’ny JIRAMA ny mpanjifa, izay fampanantena poakaty sisa. Miakatra ny vidin’ ny gazoil sy ny lasantsy, ary toerana maro no milahatra raha misy, ny tombin-dasantsy moa dia maro no tsy misy.

Miteraka fikorontanana ho an’ny mpanjfa izany. Efa misy ny mameno bidon ahafahana mivarotra lafo ny gasoil. Tsy misy anefa ny vahaolana, lazaina fa ampy ny solika ampiasaina ary efa ho avy ny nafarana manaraka, nefa tsy arak’izany ny zavamisy. Ny fiakaran’ny vidim-piainana vokatry ny fiakaran’ny solika dia efa tsy tenenina intsony, fa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy intsony. Ny karama zara raha niakatra tsy mahasehaka ny fandaniana vokatr’izany. Mananontanona ankehitriny ny fidiran’ny mpianatra. Maro ny zaza Malagasy raha ny zavamisy iainan’ny tokantrano Malagasy no tsy hiditra an-tsekoly. Tsy mba misy ny fanampiana entin’ny fanjakàna hanamaivanana ny fahasahiran’ny ray aman-dreny fa dia vola be no aloa eny amin’ny sekolim-panjakàna, izay hianaran’ny ankizy somary sahirana ara-bola tsy mahaloa sarampianarana isambolana. Takona tanteraka ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny, ka tsy hita intsony ny lalana hivoahana amin’izany, satria mpitondra tsy mahafantatra ny fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy no misy eto. Tsy mahalala ny tena laharam-pahamehana, fa ny famalifaliana sy ireo zavatra tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny filàn’ny mponina.

Ampifangaroana ny fivavahana sy ny fiainam-pirenena nefa izay no nanenjehana mafy ny mpitondra teo aloha. Kitapo entina amin’ny JMJ any Antsirabe no alaina ao amin’ny kitapom-bolam-panjakàna satria ny werawera tsy maintsy mandeha hoy ilay fitenin’ny olona izay. Kitapo vita gasy eto maro tsy tambo isaina, koa nahoana no hanafatra kitapo any ivelany izany hoy ny maro. Tena tsy fahaiza-mitantana tsotra izao. Tsy hoe manenjika fivavahana fa aza ampiasaina amin’ny zavatra hafa ny volambahoaka. Raha vola any ampaosin’ny filoha Rajoelina tsy misy hanakana izany.