EDITO 4 Aogositra – Tandrevaka avokoa ny zava-misy eto Madagasikara

Beharo

Simba ny firenena malagasy, noho ny resaka “Abus de pouvoir “, na fanaparam-pahefana, « medecin apres la mort », na famonoana afo foana no betsaka. Tandrevaka avokoa ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, hoy ireo vahiny sendra anay avy nahita sy nandre ny zava-nisy teny Itaosy Antananarivo Atsimondrano afak’omaly iny, ary koa ny vava nataon-dRaholdina teny amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, ny teny amin’ireo toeram-pivarotana solika, ny habibiana nitranga tany Ankazobe, sns… Ireo vazaha moa dia saika hanao topimaso ny tranga teny Itaosy fa hoe hetsika mafanafana, dia niverin-dalana raha sendra sinoa telo lahy nitodi-doha ihany koa ka nanao hoe: efa tena romotra amin’ny mpitondra vahoaka hoy izy ireo, ka aleo misintaka sao sendra herisetra mahery vaika ka ho sahirana.

Hita sy tsapa arak’izany fa fahafaham-baraka tanteraka no mahazo ny firenentsika noho ny tandrevaka sy ny tsy rariny ataon’ny fitondrana Rajoelina sy ny vonim-boasary miaraka aminy, ka ireto vahiny dia vaky vava nilaza fa tsy zakan’io zandry lahy io intsony ny malagasy hoy ireto sinoa, ary ireo vazaha dia nanampy hoe: “Abus de pouvoir ” tanteraka ny zava-miseho, porofon’izany ny seho tetsy Ankorondrano Fiangonana Jesosy Mamonjy ny alahady teo, ary koa ny fitongilanana atao amin’ireo antokom-politika eto an-toerana. Raha vao mpanohitra dia voarara hanao ny anjarany, nefa rehefa « orange » hoy ireto vazaha dia avela malalaka toy ireny teny amin’ny sehatra maitso Analamahitsy ireny. Maro hoy izy ireo ny seho sy tranga misy eto an-toerana ka raha vao sakoroka, hain-trano sy tanàna, grevy sns… dia ahiliky ny mpitondra amin’ny TIM foana, nefa mazava izao fa ny fanjakana mihitsy no efa tsy avotra intsony raha ny teny nataon’ny GASY LEO, tokony hiala am-panajana ny filoha sy ny Praiministra, tokony tsy hifikitra amin’ny toerany fa efa loza ny zava-misy satria tsy zakany intsony ny fahefana.

Toy ny tsy misy mpitondra intsony eto amin’ny firenena. Ny vahiny dia efa mahatsapa fa very ra-malagasy, ny raharaha Rosiana sy Ukrainiana, covid 19, rivo-doza foana no hanafenana ny kitoatoa nefa dia efa tsapa fa fanomanana ny tsy rariny tian-katao sy ny paika ho enti-miatrika ny fifidianana 2023 sahady no efa mirantiranty raha ireo no aravina hoy ireo vahiny, aoka ho mailo ianareo. Nanipy teny moa teo am-pamaranana izy ireo, fa tokony homena ny Ffkm sy ny fiangonana manana sampana skoto ny andraikitry ny Ceni, ka na ny fanisam-bahoaka mpifidy, na fanaraha-maso atao amin’ny fifidianana izay atao dia izy ireo sy ny ati-tany hatrany no misahana azy, mba hialana amin’ny doublon sy triplon mety hitranga eo indray, satria misy fiangonana daholo ihany ny tanàna sy fokontany izay tazana eny rehetra eny, ary mba tsy ho filoham-pokontany mpanohana Rajoelina sy ny ekipany irery ihany no hanao izany.