EDITO 28 Jolay – Mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana

Niaina

Mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana eto amintsika, variana amin’ny fanaovana herim-pamoretana miaro ny sezan’ny mpitondra, nefa ny tena andraikiny dia ny miaro ny vahoaka, tokony hiara-dia amin’ny vahoaka mihitsy aza, satria miaro ny vahoaka sy ny fananany no tena anisan’ny tokony ho vaindohan-draharahan’izy ireo. Ny hetsika ho fanavotam-pirenena dia natao ho an’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka, ao anatin’izany ireto tandroka aron’ny vozona ireto, satria amin’izao fotoana, tsy misy tsy mitaraina ny rehetra amin’ny hasarotry ny fiainana, eny fa na ireo be baoty ireo sy ny vady aman-janany aza, dia tratra izay fahasahiranana izay ny ankamaroany, ireo be galona sy mpila ranondranony amin’ny mpitondra ihany no mety tsy ho tratr’izay olana iraisan’ny sarambabem-bahoaka izay.

Mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana, satria tsy vitany ny ady tena tokony ho sahaniny dia ny ady amin’ny fakana an-keriny, mbola misy foana hatramin’izao; ny ady amin’ny asan-dahalo, vaky trano, fanafihana mitam-piadiana miaro famonoan’olona, ny fanendahana, ny hala-botry isan-karazany,… Tena mampijaly ny rehetra tokoa ireo, tsy ny amin’ny faritra ambanivohitra ihany, fa indrindra amin’ny faritry ny renivohitra sy ny tanàn-dehibe koa.

Mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana, satria tsy tongatonga ho azy ireny mpitandro filaminana mamono vady aman-janaka sy mitifi-tena ireny, tsy vao izao no nisy izany, fa nandritra ity fitondrana Rajoelina ity, zavatra mbola tsy dia nisy hatramin’izay.

Ka sao tokony ho fotoana amin’izay izao handinihan’ireto “moana be” na “grande muette” ireto tena, ka hanohanany, sy hiarahany amin’izay amin’ny vahoaka izay tena tompon’ny fahefana. Tsy hay tohaina mantsy ny hetsik’izy ireo rehefa tena hitroatra izay!