EDITO 26 Jolay – Antoko politika : mila mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary ny vahoaka

Sôh’son

Efa maro aza ireo antoko politika mahatsapa fa tsy mandeha amin’izay izy intsony ny fitantanana ny fiainam-pirenena eto ary miha fadiranovana hatrany vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny tato ho ato. Tonga saina sy mihevitra araka izany izy ireo, fa tena ilaina ny mifanatona sy midinika ny amin’izay hivoahana amin’izao lavaka mangitsokitsoka izao sy hanavotana ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Avela araka izany izay tsy fitovian-kevitra any aloha, fa efa loza izao loza mihatra amin’ny firenena izao no tsy maintsy atao vaindohan-draharaha. Mpanao politika mahatsiaro ho tomponandraikitra marina eto amin’ny firenena ny manana izany toe-tsaina izany.

Tsikaritra ihany anefa, fa misy antoko politika mbola manao politika tsy miraika amin’izany, ary manahirana mihitsy aza ny fahitana na ny fahenoina ny fomba fiheverany. Iray amin’izany ny antoko Arema izay nirodorodo tany amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray naneho ny fijeriny sy politika ataony. Anisany nanaitra ny nambaran’ny mpikatroka iray izay nampibaribary ny mbola ao an-tsain’izy ireo amin’ny raharaha politika eto amin’ity firenena ity. Tamin’ny filazany no nahatarafana mazava tsara fa mbola taraiky any amin’ny taona 2002 ny lasin-tsain’izy ireo. Toe-javatra tamin’ny 20 taona lasa no mbola hametrahana ny tongotra ka ilazana fa hoe manana traikefa entina hampandrosoana ity firenena mahantra ity. Tsy tafavoaka izany fomba fiheverana izany na hihodin-kavia na hihodin-kavanana eo. I Madagasikarantsika ity efa lazain’olona fa afaka 70 taona va hahatratra ny fari-piainan’ny vahoaka Roandey, dia mbola izany tany amin’ny 20 taona lasa izany ihany ny an’ny sasany no ifaharan’ny fisainany hatramin’izao. Izany ve tsy hampihisatra ny fiarenana sy ny fandrosoan’ny firenena bebe kokoa noho izao, ka ho siekla iray mihitsy indray vao hahatratra ny politikam-pampandrosoan’i Paul Kagamé.

Raha mbola tsy miova mazava, fiovana lehibe mihitsy ny toe-tsain’ny mpanao politika fa mbola hifamingana eto no masaka an-doha, dia ho toy izao hatrany ity firenena mahantra ity na ho taonjato maro hifanesy aza. Mpanohariana na fanetriben’ny firenena mihitsy no azo ilazana ny mpanao politika manana toe-tsaina toy izany, ary tokony iatahan’ny vahoaka, fa « hamono » azy. Mitaky toe-tsaina vaovao mihitsy, fomba fisainana vaovao mifandraika amin’ny vanim-potoana ankehitriny no mendrika ho an’ny vahoaka malagasy. Manana olona amin’izany ny firenena fa anjaran’ny vahoaka no manavaka ny vary sy ny tsiparifary eo amin’ny sehatra politika.