Fiainan’antoko – Tsy miroro tokoa ny DISTIM Toliara

Isambilo

Tsy miroro na tsy matory tokoa ny DISTIM any Toliara, nisy ny hetsika nataon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fameloma-maso ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, sy fizaram-baovao amin’ireo mpikambana ary fiatrehana ny raharaham-pirenena mafampana amin’izao fotoana izao ihany koa.

Niatrika izany ny filoha lefitra nasiônalin’ny antoko TIM any Toliara Me Elisoa, ny filohan’ny Reg-TIM faritra Atsimo Andrefana Vidisoa Bebe, nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny KMMR any an-toerana kôlônely Rabe Jules.

Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenena tamin’io fotoana io, fa tsy azo ihodivarana ny fanaovana ny fikaonandoham-pirenena, ho fisorohana ny korontana mety hitranga, noho izao krizy ara-pôlitika, sy sôsialy ary toekarena mahazo ny firenena amin’izao fotoana.