Ambohitrolomahitsy Manjakandriana – Manao lalana, manampy ny tanora i Jean Bosco R. na i Dadafara

Isambilo

Mpandraharaha tanora any amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy distrikan’i Manjakandriana Randriamparany Jean Bosco, na i Dadafara, izy no filohan’ny Tanora TIM any an-toerana, sady filohan’ny Tanora TIM ihany koa any amin’ny distrikan’i Manjakandriana amin’izao fotoana.

Ratsy ny lalana any amin’ity kaominina ity, na nisy aza ny fanamboarana nataon’ny fitondrana dia efa simba izany amin’izao fotoana. Noho izay antony izay, nanampy ny mponina tamin’ny fanaovan-dalana Randriamparany Jean Bosco na i Dadafara, nanampy nanome vola sy fitaovana nanamboarana ny lalana Ambohibemasoandro-Ambohitrolomahitsy. Nanarama olona koa izy nisava ny tatatra amin’ny sisin-dalana, sy nanototra ny lavaka amin’ny lalana tany an-toerana.

Saiky ratsy avokoa ny lalana mampitohy ny renivohitry ny kaominina amin’ireo fokontany mandrafitra an’Ambohitrolomahitsy, mbola be arak’izany ny hatao ho fanampiana ny mponina any an-toerana, amin’izay fanamboaran-ydalana izay, hoy izy. Amin’ny maha-tanora azy, manampy amin’ny fanabeazana ny tanora amin’ny fanatanjahantena baolina kitra any an-toerana ity mpandraharaha tanora, sady mpanao politika tanora ity ihany koa. Efa mandeha hatramin’izay ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny tanora lahy sy vavy any Ambohitrolomahitsy.

Nambaran’i Jean Bosco, na i Dadafara, fa tezaina amin’ny fanatanjahantena baolina kitra ny tanora, mba tsy hirona amin’ny zavatra tsy mahasoa, tezaina amin’ny fanatanjahantena izy ireo, mba hampisokatra ny sainy, sy hampikarokaroka azy, mandroso ho azy avy eo ny fiainana avy amin’izany. Notolorany baolina kitra ihany koa ireo tarika mpilalao mandray anjara amin’ny fifaninanana, na ny tournoi, izay karakarainy.