EDITO 16 Jolay – Fitondrana Rajoelina – Fitondrana gaboraraka manara-penitra

Beharo

Tsy misy tsy miteny eny rehetra eny ankehitriny, fa baranahiny tanteraka na gaboraraka mihitsy ny fitondram-panjakana malagasy amin’izao fotoana izao, izay tarihan’ny filoha Andry Rajoelina. Izany rehetra izany dia noho ny tsy fahaiza-mitondra mihitsy hoy ireo olon-tsotra mba te-haneho ny heviny taminay, ka na dia nifidy tovolahy tsara tarehy, bôgôsy aza tamin’ ny 2018, dia nilaza fa nanenina ihany satria tsy afa-po tamin’ireo antsoantso natao hatramin’izay, sy ireo velirano diso adiresy, tamin’ny fitarihana vahoaka, sy ny fandrodanana natao tamin’ny taona 2009, ny tetezaMITA lasa teteza-MIITATRA, ny lalam-panorenana tsy ara-drariny, sy ny maro hafa…

Ankehitriny, mafy noho ny mafy ny zava-manjo, tsy tanteraka ny ankamaroan’ny antoka sy toky izay nomena, ka na ny nampidina vidin-tsolika aza tany aloha tsy mba natao, fony mbola afaka nanao izany, ka ankehitriny dia tsy mahita vaha-olana mihitsy raha vao tratr’izao fisondrotana mahery vaika izao, ka na ilay saran-dàlana nataony aza dia efa tsy mety ho an’ ny mpandeha, nefa tsy rariny ihany koa ho an’ny mpitatitra. Ny mpanao fitateram-bahoaka dia ireny efa mampihàtra ny anjarany ireny, fa ireo mpamily taxi koa dia milaza fa tsy hanefa ny hetrany, tsy hanao ny DDT nifanarahana, raha tsy misy valiny ny zavatra nangatahiny : toy ny fanafoanana ny taxi-moto, ny tsy famoahana ireo “licences ” marobe nangatahina. Manampy trotraka izany ny toetra ratsy naseho teny amin’ny petite vitesse, izay manao famaritana sahady, faritra ho an’ny teleferika, nefa tsy misy fampandrenesana mialoha akory. Ary efa tsy maty ao an-tsain’ny tsirairay intsony koa ny raharaha fitokonana ataon’ireo mpiasam-panjakana maro samihafa, mpianatra ambaratonga ambony, ireo mpitsabo mpanampy, sns…

Raha fintinina dia gaboraraka manara-penitra, no ilazana izany rehetra izany, gaboraraka manara-penitra ny fitondrana Rajoelina. Miampy ny raharaha Jirama ohatra, ny varotra lavanila, ny fahaverezan’ny volamena, ny vidin’entana midangana, ny fanoheran’ireo mpivarotra eny amin’ireo tsena maro, tsy manaiky ny SMGD sy ny maro hafa…, ka mahatonga ny feo maro miakatra manao hoe: mialà rehefa tsy mahavita intsony.