Resin’i Kaomôro isika noho ny fitondran-dry Rajoelina

Ny Valosoa

Ny 06 Jolay 1975 no nahazo fahaleovantenany ny Nosy Kaomôro, iray amin’ireo nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, mpifanolo-bodirindrina amintsika malagasy. Samy zanatany frantsay i Madagasikara sy Kaomôro, saingy nahazo fahaleovantena 15 taona talohan’ny kaomoriana isika malagasy.

Misy ny fifamatorana eo amintsika malagasy sy ry zareo kaomôriana, satria ny faritra avaratra sy andrefan’ny nosintsika dia ahitana teratany kaomôriana mila ravin’ahitra, tsy vitsy izy ireo no nianatra tao amin’ny Lyçée tao Mahajanga sy Antsiranana, maro koa ireo nandranto fianarana tany amin’ireo Oniversite teto amintsika, ny Akademia Miaramila any Antsirabe ihany koa dia nampiofana manamboninahitra kaomôriana marobe. Raha teo amin’ny asa fivelomana, dia mpiandry tanàna na “gardien” no nahafantarana ireo kaomôriana mpila ravinahitra, ankoatr’izany dia manavanana azy ireo ny fivarotana masikita.

Azo lazaina ho tratra aoriana ry zareo raha nitaha tamintsika malagasy tany aloha tany satria tsy ampy teknisiana, ka tsy vitsy ireo malagasy no lasa niasa tany amin-dry zareo, ary nohajain’izy ireo fatratra ny manampahaizana malagasy.

Nisondrotra tsikelikely tao i Kaomôro, fa isika malagasy vokatry ny nataon’Ingahy Filoha Rajoelina amin’izao fotoana izao sy ny forongony, nanomboka tamin’ny taona 2009 dia tsy nitsaha-nitotongana ny eto amintsika, ny tena nampisitribelona aza, dia tsy tahotra tsy henatra Ingahy filoha nilaza ampahibemaso, fa tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra hono, fa rehefa izy no tonga eo amin’ny fitondrana dia isika malagasy indray no hampindrana vola an’i Kaomôro, nefa inona no teo fa reraka tanteraka isika amin’ny lafiny rehetra. Tamin’ny rivo-doza farany teo aza dia ny fitondrana kaomôriana indray no nanome fanampiana antsika.

Teo amin’ny lafiny baolina kitra dia nataontsika fakana isa ny ekipampirenena kaomôriana fahiny, saingy rehefa nitsabahan-dRajoelina sy ny ekipany ny fitantanana ny baolina kitra eto amintsika, dia resy lava ny “Barean’i Madagasikara”, fa ny mpilalao kaomôriana izay nohambanimbanian’ny sasany tamintsika dia tafita nanao “Can”, ary tsy nampitsanga-menatra ny Ranomasimbe Indianina.

Azo itarafana ny fandrosoan’ny firenena ny lafiny fanatanjahantena, izay mampibaribary fa ilaozan’i Kaomôro isika malagasy amin’ny lafiny fandrosoana, ka raha mbola Ingahy Rajoelina sy ny mitovitovy aminy no mpitondra eto amintsika, dia azo antoka fa ho maro ireo teratany malagasy ho lasa “gardien” sy hivarotra masikita any kaomôro. Ho an-dry Rajoelina sy ny forongony, ny vava tokoa no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra!