Angôvo – Niakatra 44% eo ny gazoala sy ny lasantsy

Isambilo

Niakatra 44% eo ny gazoala sy ny lasantsy eto amintsika omaly, vokatr’izany, efa nampiakatra ny saran-dalany sahady ireo mpitatitra sasany. Nanonga 1500 Ar ny vidin’ny gazoala, lasa 4900 Ar ny litatra raha 3400 Ar ny litatra teo aloha. Nisonga 1800 Ar ny litatra ny lasantsy, noho izany, lasa 5900 Ar ny litatra ny lasantsy amin’izao fotoana raha 4100 Ar ny vidin’ny lasantsy izay teo aloha. Tena henjana tokoa ilay fiakarana raha ny nandraisan’ny mpampiasa solika azy omaly, tsy nanampo izay fiakarana be izay teny amin’ny toby mpitsinjara solika. Vokatr’izany, tsy vitsy sahady ireo mpitatitra, indrindra ny zotra rejiônaly sy nasiônaly no efa nampiakatra sahady ny saran-dalany. Ny tany amin’ny faritra sasany, nisy ireo mpitatitra nitokona, toy ny tany Ihosy faritra Ihorombe, sy tany Antsiranana faritra Diana,… Ny teto an-drenivohitra, mbola nifampidinika ny mpitatitra sy ny ministera tompon’andraikitra, fa ny azo antoka dia hiakatra koa izay saram-pitateran’ny taksibe eto Antananarivo sy ny manodidina izay. Hanao randra-mitarika izany amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra maro samy hafa, ka ny vahoaka madinika ihany no hianjadian’izay fiakaran’ny vidin-tsolika izay.

Raha ny fanambarana nataon’ny fitondrana momba ity fiakarana vidina solika ity : ”Ho tohin’ny fakan-kevitra marolafy niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina, sy ny fiarahamonimpirenena, ary ireo vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, dia notanterahina ny alahady 10 jolay 2022, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana niarahan’ny Fitondrampanjakana sy ny Vondron’ny mpandraharahan’ny solika eto Madagasikara – fivoriana izay nifarana tamin’ny 1 ora maraina. Niady mafy hono ny Fitondrampanjakana ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka ary nimasoana
ny tsy hampiakatra be loatra ny vidin’ny solika izay tsy azo ihodivirana noho ny fiarakarana sy fidangan’ny vidin-tsolika manerantany. Tapaka tamin’izany ary fa raha tsy tokony hihoatra ny 6.000 Ariary ny litatry ny solika dia noferana ho 4.900 Ariary ny Gasoil, ary 5.900 Ariary ny Super Carburant. Mba ho fitsinjovana ireo tokantrano maro an’isa kosa – indrindra ny tontolo ambanivohitra – izay mampiasa ny solika fandrehitra, dia noferana ho 2.430 Ariary raha toa ka tokony ihoatra ny 4.100 Ariary ny litatr’izany.”

Marihina fa hatramin’izay, teo amin’ny 500 Ar teo foana ny fisondrotry ny vidin’ny solika ny iray litatra, izao anefa, avo telo heny izany: 1500 Ar sy 1800 Ar. Rah any solika fandrehitra indray, efa tsy dia mampiasa izany intsony ny eny amin’ ny tontolo ambanivohitra fa efa mampiasa jiro mandeha amin’ny angôvo avy amin’ny masoandro izy ireo.