Fitantanana an’i Dabaraha – Tompony mangatak’atiny i Mahabo

Rajepa

Manoloana ny feo izay mandeha, fa fehezin’ny ao amin’ny distrikan’i Mahabo faritra Menabe ny ranon’i Dabaraha dia milaza ny solombavambahoaka izay voafidy tao Mahabo, fa tsy mitazona ny rano ny ao Mahabo, fa mangataka ny fametrahana mazava ny fanaovana ny tour d’eau ary tokony hisy fiantsoana ireo kaominina voakasik’io ranon’i Dabaraha io, fa tsy izay tian’ny mpitondra avy any Morondava atao ny atao eny, fa tonga hatramin’ny fanenjehana ny solombavambahoaka, izay manao ny asany mitondra ny tarainan’ny vahoaka mahakasika ny fizarana ny ranon’i Dabaraha, ka hanaovana izao karazana tsindry rehetra izao ary ny mampalahelo dia hatramin’ny mpitondra fivavahana izay tokony handamina dia lasa manenjika ny solombavambahoaka ihany koa, satria manana tanimbary ao amin’ny distrikan’i Morondava, ka mampiasa ny rafitra eo ambany fahefany hanaratsiana ny solomba-vambahoaka sy hampia-diana ny samy tantsaha.

Koa mitaraina sy manao antso avo amin’ny fitondrana foibe ny solombavambahoaka ny mba handraisana andraikitra haingana mahakasika ny fitantanana an’i Dabaraha, satria efa misy ny volavolam-panavaozana ny rafi-pitantanana, izay natolotry ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny hanavaozana ny fomba fitantanana ary tokony hisy ny fampahafantarana ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny distrikan’i Mahabo rehefa misy fidinan’ny tompon’andraikitra avy ao Morondava ao Dabaraha, fa ny solombavambahoaka dia tsy manana tanimbary fa ny feon’ny vahoaka izay nifidy azy no entiny, satria efa mitaraina ireo vahoaka mahakasika ny ataon’ny mpitondra avy ao Morondava izay manao didy jadona amin’ny fizarana ny ranon’i Dabaraha ary miantso ireo tompon’andraikitra ara-pinoana ihany koa ramatoa solombavambahoaka voafidy tao Mahabo, mba tsy hitanila sy tsy hampiady ny samy vahoaka izy ireo ary hatsahatra koa ny fanaratsiana ny solombavambahoaka izay manao ny asa mitondra ny hetahetam-bahoaka, izay lasa mivadika ho fankahalana azy, satria noho izy mitondra ny hetahetam-bahoaka dia maro ny tsindry izay mahazo azy sy ny ankohonany.

Tsara ho marihina fa vehivavy mijoro sy mandray ny andraikitra izay nomen’ny vahoaka azy raha ny solombavambahoaka voafidy tao Mahabo ary sahy miady ny tombontsoan’ny vahoaka izay nanome fahefana azy na dia lehilahy daholo aza ireo mpitondra avy ao Morondava, izay miezaka mifehy ny fizarana ny ranon’i Dabaraha. Miantso ny prefet an’i Morondava ihany koa izy ny mba hisian’ny fifanatonana sy ny fifampiresahana eo amin’ny ben’ny tanàna izay voafidy ao amin’ny distrikan’i Mahabo sy Morondava ary ny solombavambahoaka roa tonta, hametrahana ny fizarana rano (tour d’eau) tsy mitanila sy eken’ny rehetra, satria dia tsapa sy hita fa tsy ampy intsony ny rano, ka ny tour d’eau ihany no vahaolana hatreto.