ANTSO HO AN’NY MPANAKANTO

Miantso anao ry mpanakanto, mba meteza ho tonga saina
F’efa toa kamboty isika, lavi-dray sy reny mpiahy.
Ireo natao hianteherana, eny ireo izay nantenaina
No indro fa mandroba anao ka mifanahin-jiolahy!

Ny maha-ianao anao mihitsy no efa toa tsy asiany vidiny,
Fa dia tena hoe izay tiany no tereny hotanterahina.
Ampy izay ny toetra ratsiny, ampy izay ny sain’angidiny,
‘Ndeha sokafy anio ny maso fa tsy jamba ianao na pahina!

Izay mba mampiray antsika no aoka harindra sy halanto,
F’aza faly ny hisolelaka ka hanohana andry boboka.
Olona afaka tanteraka izany atao hoe mpanakanto.
Tsy mba ny olona “mpijapy”, vetivety dia hijoboka!

Amin’ny maha-mpanakanto dia ny tsara no aoka hatolotra,
F’aza faly hahazo vola dia hanitsaka ny namana.
Zavakanto dia tsy miaraka amin’ny halatra sy tsolotra
Ary koa ny mpanakanto dia tsy “bitro fanandramana”!

‘Zay mba maha-malagasy no hevero sy asandrato,
F’efa potika tanteraky ny resa-politika.
Aoka tsy ho vilam-bava nefa tia mitari-bato,
Na sokajin’ny bemolotra tia ny mampizara antsika!

IRINA HO TAFITA (02-07-22)