EDITO 12 Jolay – Fitondrana Rajoelina – Tsy manome hasina ny mpampianatra

Sôh’son

Ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, kitoatoa ny amin’ny fototra iankinan’ny fanabeazana sy fampianarana ny zaza malagasy. Ny mpampianatra no ambara amin’izany, izay môtera fototry ny fampianarana. Niaraha-nandre vao tsy ela izay ny fitokonan’ireo mpampianatra mpitsara ny fanadinana Bepc, izay tao anatin’ny roa taona tsy azon’izy ireo ny saran’ny fitsarana fanadinana. Ary raha tsy nisy hetsika nataon’izy ireo teo, tsikaritra ho tsy taitra niezaka namaha olana ny tomponandraikitra misahana izany. Fa nahoana no atao an-tsirambina toy izany ny momba azy ireo, izay toe-javatra miverimberina lava hatrany tsy mety hifarana? Midika ho tsy fahaizan-draharaha koa izany.

Ireny fihetsika ataon’ny mpampianatra ireny anefa dia misy fiantraikany amin’ny fampianarana, na amin’ny fanadinam-panjakana sy amin’ny fitsarana. Efa tantara mipetraka eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny an-tsirambina nataon’izao fitondrana izao tamin’ny resa-panadinana tamin’ny taona voalohany naha teo amin’ny toerana azy. Tamin’izao fitondrana izao no nisiana fanadinana amin’efitrano maizina; ny fisian’ny mpampianatra avy nitsara fanadinana milahatra sy mifanesika amin’ny fandraisam-bola; ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra asaina milahatra eny amin’ny paositra maka vola, sns…

Very hasina tanteraka ilay mpampianatra, hany ka misy fiantraikany hatrany amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka malagasy izany. Ilay fitondran-dRajoelina mihitsy no fototr’izany, ary tsy hita izay fiheverana ny amin’ny famerenan-kasina azy ireo, fa raha misy aza alasafay fotsiny ihany. Indraindray aza ilay mpampianatra atao fitaovana politika amin’ny fotoan-dehibe amin’ny sehatra fitokanan-javatra, na resaka lanonana samihafa anaovan’ny fitondrana kajy politika. Lalaovina ao anatin’izay ihany koa ny mpianatra, indrindra ireo kilonga madinika any amin’ny ambaratonga fototra. Tena hadisoam-pitantanana firenena anefa izany, satria iankinan’ny hoavin’ny firenena no voakasika akaiky amin’izany, ary tsy maintsy misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’izy ireo izany.

Mikorosy ny lentam-panabeazana tato anatin’ny taona maromaro farany izao teto amin’ny firenena. Tsy hita soritra mazava mihitsy anefa izay ezaka ataon’ny fitondrana hanarenana izany. Zary famitana asa fampandehanan-draharaha no mibahana, fa ny famahana ny olana fototra tsy mipetraka. Mandrapahatongan’ny fotoana hahatongavana amin’izany anefa, raha hisy, mpampianatra marobe no lasibatra mitondra faisana, ary mpianatra aman’alin-kisa no ihàran’ny fanabeazana “tsizarizary”, izay misy fiantraikany any amin’ny fiainam-piaraha-monina, sy ny firenena ihany koa izany, noho ny ataon’ny fitondrana ihany.