EDITO 7 Jolay – Tsy mahafehy intsony ny fisondrotry ny vidin’entana ny fitondrana

Sôh’son

Ao anaty toe-draharaha mifamahofaho tanteraka ankehitriny ny vahoaka Malagasy, noho ny resaka sondrobidim-piainana, sy ny ho fiakaran’ny solika ato ho ato, na dia tsy mbola voafaritra mazava aza ny daty amin’izany. Efa mandrahona be ihany ny mpitatitra na eto an-drenivohitra sy ny manodidina na amin’ireo zotra reziônaly sy ny nasiônaly. Ho langilangy hidaroka ny ain-dehiben’ny sarambabem-bahoaka no mitatao amin’izao fotoana izao. Ho hatraiza ny vahaolana fanalefahana entin’ny fitondrana amin’izany? Fitondrana miseho fa mba miasa no misy hitan’ny besinimaro, manoloana izany rehetra izany, fa ny fahoriam-bahoaka mitoetra eo ihany.

Tsy mitsaha-mitombo ny vidin’entana fanjifa andavanandro amin’izao fotoana izao, izay efa am-bolana maro no nitrangan’izany teto amin’ny firenena. Ireo vidin-tsakafo tena ilaina isan’andro mampikaikaika ny ray aman-dreny, satria ny vidiny tamin’ny herinandro lasa efa miova indray andro vitsy aty aoriana. Ary ny ho loza, na dia efa misy aza ray aman-dreny mba te-hiàla amin’ny fahasahiranana mafy amin’ny fividianana kojakojam-pianarana rehetra akaiky fidiran’ny mpianatra, ka mba mitady vahaolana mividy mialoha izao, dia indrisy, fa efa notatazan’ny fiakaran’ny vidin’entana sahady. Io fiakarana io, ohatra toy ny kahie, dia niakatra hatrany amin’ny manodidina ny 30 % sahady izao, mainka izany rehefa amin’ny volana aogositra na septambra. Tsy mbola niseho akory ny fiakaran’ny vidin-tsolika dia izany no mitranga. Amin’ity lafiny fampitaovana amin’ny fianarana ity, na ny fanampiana ny ray aman-dreny ho fanamaivanana ny enta-mavesatrany dia iaraha-mahita sy mahalala, fa kely endaka na tsy hita mazava izay hafitsoky ny fitondrana Rajoelina. Hetsika mtsitokotoko, fa tsy mahasehaka ny rehetra no hany vitany isan-taona.

Mazava loatra fa tsy ilaozan’ny fanararaotana ihany koa, no mahatonga izao fiakaram-bidy tsy mitsahatra eo amin’ny entana fanjifa andavanandro izao, sy ireo kojakojam-pianaran’ny mpianatra. Midika mazava ho tsy fahafehezan’izao fitondrana Rajoelina izao ny raharaha manahirana sy mamono ny vahoaka izany. Tsy manana fahaizana mitantan-draharaha sy ny zava-misy sarotra eto amin’ny firenena izany. Tsy atao hahagaga ihany koa anefa izany satria tsy niomana ny amin’izao ny mpitondra ankehitriny, fa may fotsiny handrombaka fitondrana sy hiaro tombontsoa. Ny manahirana, ny sarambabem-bahoaka no mibaby ny vokatry ny tsy fahaizany izay.