EDITO 5 Jolay – Solombavan’ny mpitondra fa tsy solombavambahoaka

Helisoa

Ao anaty aty ririnina mamirifiry isika eto Madagasikara ankehitriny, indrindra ny eto afovoantany, izay mila tsy ho zaka ny hatsiaka vokatr’izany. Mifoafoa volo daholo araka ny fomba fiteny rehefa mivoaka ny trano hamonjy ny toeram-piasana. Tsy maintsy mitady anefa satria ny harapaka anio tadiavina anio. Misy aza moa ny ho hanina androany tadiavina rahampitso. Mandeha manaraka izany ihany koa ny fiainan-dRamalagasy, satria miaina ao anaty fahantrana tanteraka isika ankehitriny. Ny fampitomboana karama kely ny volana mey teo nomen’ny mpitondra fanjakàna tsy nampiova inona akory. Ny hiafaran’izao fiainana izao araka ny nambaran’ny maro dia hifampihinana an-toerana eto angamba.

Ny mahagaga dia tsy mba fantatry ny solombavambahoaka natao hitondra tenin’ny vahoaka ny fahasahiranana misy ankehitriny, fa dia hoe misaotra, misaotra no heno nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny governemanta farany teo. Ny solombavan’ny mpitondra no mendrika atao anaran’ireto farany, fa tsy mendrika azy izany hoe solombavambahoaka izany. Soa fa mba misy ihany ireo tonga saina na ao anatin’ny IRD aza milaza ny maharary ny vahoaka eto Madagasikara. Eo ihany koa ireo depiote mpanohitra tsy mitsitsy fitenenana, nefa mba misy mihaino ve izy ireo?

Mba velombolo ireo olom-pirenena raha naheno ny kabarin’ny filoha Ravalomanana nandritra ny fankalazàna ny faha-20 taonan’ny TIM, fa hijoro ny tenany hanavotra ny firenena indray. Nampanantena izy fa hanao izay tratry ny heriny hahatanteraka izany. Mandra-pahatongan’izany aloha dia maro ny Malagasy no tsy ahazaka ny ririnina mamirifiry sy ny fahasarotan’ny fiainana izay miha-mamirifiry hatrany, satria tsy ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny mpitondra izany. Werawera na deradera aloha ny an-dRajoelina sy ny forongony, fa dia aleo ho any izay ho any, hoy izy ireo.