RY ‘LAY OLONA VOAHOSOTRA SADY MARO ANARAM-BOSOTRA !

Nolazain’ny mpaminany voakarama tany ho any
Fa ianao no ilay nirahina mba hitondra famonjena.
Kanjo hatreto rediredy miharo laingalainga izany,
Fa vao mainka mihamilentika, potika ny firenena!

Dia nitranga indray ny sasany ka naneho ankarihary
Fa ianao no ilay hanavotra ny gasy tsy ankanavaka.
Raha ny zava-misy anefa, mihamaizina ny sary.
Mainka i Madagasikara toa mizotra ho any an-davaka!

Tena nisy ihany koa ny mpanakanto evanjelika
Izay nanolotra tsodrano miampy fanomezan-toky.
Kanjo avy eo dia niala tsiny fa tsy nety angaha ny fika,
Nony injay voakiana mafy tany anaty fesiboky!

Mbola ho avy koa angamba ireo karazana mpimasy
Ka hanindrahindra anao ho tena olona voahosotra.
Saingy aza mino intsony hoe mbola badobe ny gasy
Ry ‘lay tena mampiaiky f’efa maro anaram-bosotra!

Rainilainga, Rainikobaka, efa anaranao daholo.
Mety mbola hiampy izany, tsy hifarana ny lisitra.
Aoka izay ny hoerahoera sy fanaovana bontolo,
Fa jereo ny firenena, sasatry ny miady gisitra!

TSIMIMALO (01-07-22)