IZA IRY AMBONY IRY ?

Iza iry ambony iry? Toa lany andro miala bala,
Nefa anie dia nofantenana, nefa anie dia notendrena.
Aza miafinafina endrika, aza modimody adala,
Fa tsy ‘zao no hanatanteraka fampivoaram-pirenena!

Iza iry ambony iry? Toa tena toy ny tsangambato,
Zary tsy ahitana teny fa dia moana hatrany hatrany.
Ny grevy samihafa izay nitranga tato ho ato,
Moa tsy efa lakolosy te hanery ny fialàny?

Iza iry ambony iry? F’angaha dia tsy ahitana solony?
Io no hany mba mamiratra amin’ny jamba mpiara-dia?
Io no hany sokajiana ho tena taviny sy volony,
Na dia be ny mpanakiana sy efa maro ireo tsy tia?

Iza iry ambony iry? Sa io no hany mora irahina
Ary tsy mandà mihitsy n’inona n’inona ampanaovina?
Toy ny hoe “ny volamena, ‘ndao havadika ho varahina”.
(Fa heverina ho donto ny vahoaka ka lalaovina?)

Iza iry ambony iry? Misondrotra ny vidim-piainana,
Nefa dia mitazam-potsiny ity lehibe mpanatanteraka!
Tena toa manampin-tsofina ary tsy azo itarainana.
(Moa Ambatolahibevohoka no andrasana ho teraka?)

IRINA HO TAFITA (02-07-22)