EDITO 2 Jolay – Tsy milamina ny fanadinana CEPE sy BEPC ary back 2022

Ny Valosoa

Nivoaka ny sabotsy 25 jona ny valim-panadinana CEPE tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy. Noezahina navoaka haingana fa izay maika tsy faingana izay moa no tena manavanana izao fitondrana Rajoelina izao.

Amin’ny lafiny iray dia tsy misy maharatsy ny manao zavatra haingana, saingy tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany fanadinam-panjakana tsy nasiana deliberation, na fivoriana fandinihana ataon’ireo mpitsara fanadinana izany raha tsy tamin’izao CEPE teo izao. Tonga dia navoaka avy hatrany talohan’ny fetim-pirenena ny vokatra, fa ny hamalifaly vahoaka no tanjona. Dia asa indray koa na hitohy izany amin’ireo fanadinana BEPC sy BACC, ka izay tian’ireo ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana hatao ihany no tanterahina, fa tsy hakana intsony ny fankatoavan’ny mpitsara na atao 09/20 na 08/20 aza ohatra no hatao afaka. Tsy mandry koa ny sain’ny mpianatra sy ny raiamandreny ny amin’ireo mpiasan’ny Anjerimanontolo izay mitokona niverimberina, fa tsy mandray karama. Hanana fiantraikany amin’ny fanadinana bacc ve izany? Ao koa ireo mpitsara sy mpanara-maso ny fanadinana CEPE, BEPC, BACC 2021 izay mbola tsy nisitraka ny tambin-karamany hatramin’izao. Raha hitokona koa ireo dia inona no hiseho? Hihemotra ve ny fanadinana Bacc? Ary farany, asa raha dia hisy indray ny maizimaizina, ka sanatria hivoaka alohan’ny fotoana indray ny laza adina fa efa tena mahakivy ny zavatra toy izany tao anatin’izao fitondrana izao.

Raha fehezina dia tena tsy milamina mihitsy ny fampianarana eto Madagasikara hatreto: tena midina ambany dia ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra hoy ny mpampianatra maro, be dia be ny kitoatoa amin’ny fanomanana ny fanadinana ary fanjakana malaza amin’ny tsy fandoavana ara-potoana ny karama sy tambin-karaman’ny mpiasa no misy ankehitriny. Dia ho aiza ny firenena rehefa ny fampianarana sy ny fampianarana no mikororosy sy latsaka ambany dia ambany toy izao?