EDITO 30 Jona – Mpitondra manan-kambo no ilaina fa tsy matin-kambo

Ny Valosoa

Mailaka ery ny Filoha Rajoelina ankehitriny mitanisa ny hoe: “fitiavantanindrazana sy ny hambompompirenena”, kanefa dia ny mifanohitra amin’ireo voalaza ireo ny ataony, na tamin’ny fitondrana tetezamita na izao izy efa mpitondra “voafidy” izao.

Ny fitiavan-tanindrazana

Ny tanindrazana raha tsorina sy atao mahitsy ny filaza azy dia i Madagasikara no tanindrazana, ary isika vahoaka malagasy no tompon’io tanindrazana iombonana io, fa ny fitiavana azy indray dia tsy tokony ho sarotra ny famaritana azy, dia ny fanajariana azy hamokatra sy hitondra soa ho an’ireo vahoaka tompony. Ny mpitondra dia manana andraikitra amin’ny fampandrosoana ilay tanindrazana, sy fikarakarana ireo vahoaka tompon-tanindrazana.

Ho an’ny Tafika dia “Ho an’ny Tanindrazana” ny teny filamatra, “Tanindrazana sy Lalàna”, ny an’ny Zandarimariam-pirenena ary “Tanindrazana sy Filaminana” ny an’ny Polisimpirenena, ny mampalahelo anefa nanomboka tamin’ny taona 2009 dia ireo mpanao fanamiana ireo, no nirotsaka nanampy an’Ingahy Filoha ankehitriny tamin’ny fakana fahefana tsy ara-dalàna ary ankehitriny dia mbola ireo mpitondra mampijaly vahoaka ireo, no lasa tanindrazana tompoin’ireo mpanao fanamiana sasany, ny vahoaka efa mijaly tsy manan-katokona mbola tsy voaaron’ireo mpitam-piadiana ny ainy sy ny fananany, fa ny sezan’ireo mpitondra no tsy maintsy atao laharampahamehana ny fiarovana azy, ireo mpitondra arovana fatratra indray, sady efa tsy mitsinjo ny tombontsoan’ireo vahoaka rahateo, no mbola mamoritra sy manao ramatahora amin’ireo izay sahy maneho hevitra.
Mazava izany fa mifanindran-dalana amin’ny famoretana vahoaka, ireo mpitondra sivily sy mpanao fanamiana, izay azo hambara avy hatrany fa fihetsika mifanohitra amin’ny fitiavan-tanindrazana izany.

Ny hambompom-pirenena

Misy ny toetra roa mifanohitra hamaritana ny fihetsehampo amin’ny hambo, dia ny manan-kambo sy ny matin-kambo.

Manan-kambo no ilazana ireo sokajin’olona sahy mijoro amin’ny hevitra marina arovany, na koa mahavita mampiasa sy sainy sy ny herimpony handreseny ny sarotra, tsy azon’iza n’iza ahodina amin’ny rariny itompoiny ny olona manan-kambo, fa sahy miatrika hatramin’ny farany an’ireo mpandroba firenena ary vonona hijoro hatrany hiaro ny tombontsoam-bahoaka.

Fa ny matin-kambo kosa dia olona dedaka, tia misehoseho kanefa dia manao fihetsika mambotry firenena, mampanantena ho mahavita izatsy sy izaroa kanefa dia vokatra poak’aty, aotra tanteraka e! sady tsy mety miaiky ny tsy fahombiazany, fa manilika hatrany ny tsy mety ataony amin’ny hafa na ireo nitondra teo alohany.

Feno 62 taona ny niverenan’ny fahaleovantena ary mitovy amin’izany koa ny nijoroan’ny Foloalindahy, kanefa indrisy fa vao mainka miha-milentika ny firenentsika taorian’ny taona 2009, satria ireo mpitondra nifandimby taorian’ny nialan’ny Filoha Ravalomanana dia faly fotsiny manao tsianjery maimbo ny hoe: “fitiavan-tanindrazana sy hambompom-pirenena”, kanefa dia sady mandroba ilay tanindrazana, manao tsinontsinona ireo vahoaka tompon-tanindrazana ary indrindra dia tsy manana ny hambo iarovana sy hampandrosoana ilay firenena, fa dia izy ireo indray, no manao tantely afa-drakotra ny harempirenena tokony hositrahan’ny vahoaka malagasy rehetra, ny tena loza dia mbola matin-kambo hatrany milaza fa mety hono ny ataony.

Ny vahoaka tsy bado akory fa mahalala ny ataony, satria fantatr’ireo vahoaka tsy miteny ireo, fa misy ny “Manan-kambo” azo antenaina hanavotra indray ny firenena ary misy dia misy tokoa ny “matin-kambo ” tsy manantsaina, afa tsy ny tombontsoan’izy mianakavy, ireny sokajin’olona ireny arak’izany, dia tsy maintsy ho fatin’ny hambony diso toerana.