EDITO 28 Jona – Fiandrianam-pirenena – Mitaky asa mivaingana fa tsy vitan’ny vava fotsiny ny fiarovana azy

Sôh’son

Tontosa iny ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena. Samy nanana ny fahitany ny fety fankalazana izany, izay natao teny amin’ny faritra samihafa nanerana ny Nosy, na indrindra ny teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny olom-pirenena tsirairay. Samy nanana ny niainany manokana tany aminy avy ihany koa ny rehetra, izay amin’ny ankapobeny miaina anaty fahantrana. Mitondra inona ho amin’ny fiainam-bahoaka ireny renty sy seho samihafa teny Mahamasina ireny? Fanamboarana ny saim-bahoaka tsy hahatsiaro ny maha firenena faraidiny azy maneran-tany ve?

Raha niresaka fiandrianam-pirenena sy nanontany izany an’ireo foloalindahy i Andry Rajoelina, sy namaly ireo hoe “vonona”, dia mahalasa ny saina ihany? Nazava ny tenin’ny olobe, akademisiana, mpandalina tantaram-pirenena, ary nahitsy ny nambarany ny amin’ny fahitany ny fanjakazakan’ny vahiny eto amin’ity firenena ity, ao anatin’izao fitondrana izao. Raha tsy hijery afa-tsy izay fotsiny aloha, dia efa “mampihomehy” araka ny fiteny ankehitriny ny zava-misy ataon’ny fitondrana. Ankoatra izany, efa lasa nangina ingahy filohan’ny Repoblika, tsy namerina ny teniny intsony, roa taona izao, ny momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy Malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay fotsiny izao. Nanao angoan-tenda anefa tamin’ny faha-60 taona ny fiverenan’ny fahaleovantena, fa hoe tsy maintsy tafaverina ireo Nosy ireo. Taorian’izay nangina ny tenany, indrindra rehefa tafaverina avy any Frantsa nihaona tamin’ny filoha Macron. Ny fiandrianam-pirenena malagasy mihitsy anefa no voatohintohina amin’izany, ka inona ity ambara isaky ny 26 Jona ity manoloana ny foloalindahy? Miteny ka mba miteny fotsiny ihany ho fisehosehoana sy fihatsarambelatsihy?

Ny olom-pirenena maro dia samy mahatsapa ankehitriny, fa tsy mbola manana fahaleovantena marina izany isika Malagasy amin’izao faha-62 taona izao. Miha-mafy hatrany ny geja atao amin’ny firenena. Tsy ampy araka izany ny fahatsapana fotsiny, fa mila mandray andraikitra tanteraka ny olom-pirenena momba ny tanindrazana, izay tena miandry fanavotana tokoa, ary adidy lehibe sy masina izany. Tsy atao resaka fotsiny toy ny hatramin’izay ny hasarotam-piaro, sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, fa mitaky hetsika mivaingana.