Ho fiakaran’ny saran-dalana – Mitaintaina ny tokantrano maro

Helisoa

Raha ny vaovao miparitaka amin’ny onjampeo sy ny tambazotran-tserasera dia hiakatra avo roa heny ny sarandalana eto Antananarivo. Raha 500 ariary izany teo aloha dia re fa hiakatra ho 1000 ariary izany hanomboka ny voalohandohan’ny volana jolay iny, ny marimarina kokoa ny 5 jolay ho avy izao. Avy hatrany dia mitaintaina ny tokantrano maro hoe aiza no hahatakarana izany intsony?

Ny fahefa-mividy tsy ahafahana mandoa io sarandalana io. Ny fiakaran’ny vidim-piainana efa tsy takatry ny tokantrano Malagasy intsony. Ny fanjakàna izay mampanantena fa raha vao tonga teo amin’ny fitondràna Andry Rajoelina fa hamirapiratra i Madagasikara, efa nitady ny vahaolana rehetra amin’izany ny tenako hoy izy. Nampanatenaina daholo izao rehetra izao hambaboana ny fon’ny Malagasy efa ketraky ny adim-piainana. Inona anefa no mitranga, 3 taona sy tapany aty aoriana nandraisan’ny filoha Andry Rajoelina ny fitantanana ny firenena; latsaka any anaty fahantrana lalina ny firenena.

Ny delestazy izay nolazainy fa efa niara-niasa tamin’ny Amerikana nandritra ny 3 taona sy tapany ny tenany ary mahita vahaolana hialàna aminy delestazy ry zareo. Inona no teo? haizina andro aman’alina no mahazo ny tokantrano manerana an’i Madagasikara. Jiro tsy mandeha, ny rano manahirana. Tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena fa raha resaka bizina sy fisehosehoana ivelany dia tena mandeha tokoa ankehitriny. Hany ka very fanahy mbola velona ny Malagasy. Izay miseho miteny dia fonja sy ny ramatahora no miandry.

Ampy anefa ny fepetra ahafahan’ny olona mitaky sy midina andalambe raha izao zavamisy iainana izao hoy ny ny tenin’ilay iraikavavy nahazo fahefana ankehitriny, saingy adinony ny zavatra noteneniny fony izy tsy teo amin’ny fitondràna. Mbola valalabemandry aloha izao ny vahoaka Malagasy, kanefa raha mifoha eo dia hirongatra manerana ny firenena mihitsy raha izao zava-misy izao.