EDITO 23 Jona – Filohan’ny FIFA – Tsy ekeny ho filoha i Victorien Andrianony fa filoha lefitra ihany

Lita

Nandefa taratasy tamin’ny FMF, na ny Federasiôna Malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny FIFA: Federasiôna Iraisam-pirenen’ny baolina kitra, Gianni Infantino, ny 20 jona lasa teo, nidera ny CFFA (Centre de Formation de Foot-Ball Andoharanofotsy), amin’ny nahavoahosotra ity ekipa eny Atsimondrano ity, ho tompon-dakan’i Madagasikara eo amin’ny baolina kitra. Amin’izany taratasy izany, voalaza mazava ao fa filoha lefitra voalohan’ny FMF i Victorien Andrianony, fa tsy filoha.

Amin’izany taratasy nosoratany izany no anambaran’ny filohan’ny FIFA, fa nisy ny ezaka nataon’ny rehetra ao anivon’ny CFFA nahazoany izao anaram-boninahitra izao, ary niangavy ny filoha lefitra voalohan’ny FMF izy hampita izany amin’ireo ao amin’ity kliobana baolina kitra ity. Ankoatra izany, nidera ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra koa i Gianni Infantino, amin’ny ezaka nataon’ny tompon’andraikitra amin’ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara, sy amin’ny faritra misy antsika ary any Afrika.

Arak’io taratasy io, tsy eken’ny FIFA ho Président i Victorien, fa mbola i Raoul ihany, arak’io titre omeny an’i Victorien io. Noho izany, tsy nisy dikany izay vote interne, na fifidianana anatiny, mametraka vice-présidents sy commissions, fa ny mbola ny birao Raoul ihany no mbola manan-kery sy ôfisialy hatramin’izao, manoloana ny Federasiôna Iraisam-pirenena. Ho an’ny FIFA arak’izany, Raoul Romain ARIZAKA RABEKOTO ihany no mbola filohan’ny Federasiôna Malagasin’ny baolina kitra. Tsy azo atao tokoa ny bontolo sy ny letrezana amin’itony rafitra iraisam-pirenena itony.