FFKM – Tsy afaka mialangalana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena

Isambilo

Nanatanteraka fiombonam-bavaka ho an’ny tanindrazana, noho ny faha-62 taonan’ny fetim-pirenena 26 jona ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, ny alahady tolakandro teo, teny amin’ny EKAR Fanahy Masina Analamahitsy. Nitarika ny fotoana ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy ao amin’ity fiombonambe ity, notarihan’ny filohany Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.

Maro ireo olona tonga niatrika izany, anisan’izany ireo mpanao politika toa ny filoha Marc Ravalomanana avy amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM; ny mpandrindra ny antoko HVM, Rivo Rakotovao; ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko; ny filoha lefitra nasiônalin’ny RMDM avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa Tabera Randriamanantsoa,…

Nambaran’ny filohan’ny FFKM nandritra izany, fa tsy afaka mialangalana ny fiangonana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, mila ny lalan’ny fahamarinana ny firenena amin’izao fotoana hoy izy. Andraikitry ny fiangonana ny fijoroana vavolombelona amin’ny fanapariahana ny filazan-tsara amin’ny sehatra rehetra. Ny fandresena sy ny fanavotana ny firenena dia miankina amin’ny herin’Andriamanitra.

Azo lazaina ho tsy nisy, na zara raha nisy solontenam-panjakana nandritra ity fotoam-bavaky ny FFKM ity, fa nanotrona an-dRajoelina tamin’ny antsam-piderana ho an’ny firenena tetsy Mahamasina ny ankamaroan’izy ireo. Tsy noraharahian’ny fitondrana arak’izany ny fanasana nataon’ny FFKM, ho amin’ny vavaka ho an’ny tanindrazana, tsy azo ihodivirana anefa ireo ray aman-dreny am-panahy ireo, sy ny rafitra tantaniny ara-pinoana io, amin’ny zava-misy sy ny fandaminana ny raharaham-pirenena. Ao aorian’ny fety amin’ny alahady izao, ho hitantsika ny tohiny amin’ity raharaham-pirenena mafana ity, na miditra amin’ny aty ririnina mangatsiaka aza isika eto Madagasikara, sy ny aty amin’ny ila bolantany atsimo manomboka anio 21 jona.

Fa ankoatra izany, tao aorian’ity fotoam-bavaka iraisam-pinoana ity, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana fa zava-dehibe aminy ny fitondrana am-bavaka ny firenena, toy izao natao izao ary efa fanao hatramin’izay herinandro mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena.