Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina – Vita kitoatoa, vola nariana ny fanamboarana ny tany Morondava

Rajepa

Vola nariana fotsiny ny fanamboarana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina tany Morondava, noho ny baikon’ny minisitra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy. Potika ary efa hirodana sahady ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Morondava, raha mbola ao anatin’ny asa famaranana tanteraka satria dia nihotsaka ny plafond, ka nitarika ny fahavakisan’ny rindrina.

Araka ny fanadihadiana natao dia nohon’ny baikon-dRamatoa minisitra Lalatiana no nahatonga ny fahasimbana, satria dia efa ho in-4 ny teknisianina no nilaza fa tokony hasiana andry mitazona ny plafond saingy nanda izany ny minisitera ary nanome baiko fa tsy ilaina izany, fa manakona ny mpijery satria hatao fanaovana fampisehoana io tranobe io. Rehefa nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera moa ny sahy naneho ny fahasimbana dia nilaza ramatoa minisitra fa olana eo amin’ny toerana nanaovana ny foto-drafitr’asa no nahatonga ny fahasimbana, izany hoe natao petatoko izany fa tsy nisy fitsirihana ny toerana akory. Ny asa koa tsy misy manara-maso fa dia mandeha ho azy ary araky ny nolazain’ireo olona mipetraka manodidina ity foto-drafitr’asa ity dia samy manao izay ahazoany ny anjarany na ny lehibe na ny madinika satria dia maro ireo simenitra avy ao no hamidy eo Bemanonga, izay kaominina misy ity foto-drafitr’asa ity. Tsara ho marihina fa eo anilany eo ny tranoben’ny mpianatra amin’ny Oniverisite na Campus Universitaire, izay efa notokanana nefa hatramin’izao tsy misy fitaovana sady ny Oniversite koa moa hatreto dia mbola tsy fantatra hoe aiza no asiana azy, satria dia efa in-3 no nanaovana hady fototra tamin’ny toerana samy hafa.

Raha ny resaka foto-drafitr’asa manara-penitra ato Menabe no jerena dia tsy mety vita toy ireo efitrano sekoly efitra roa, izay efa ho roa taona tsy vita. Ny entreprise ny solombavambahoaka no manao azy. Na koa zara fa vita ireo foto-drafitrasa aty Menabe, toy ny CSAO sy ity Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity, eo koa ny Kianja manara-penitra izay efa hatramin’ny tetezamita tsy vita hatramin’izao, efa nanomboka mitriatra amin’izao, saingy hafenina tsy azo alain’ny mpanao gazety sary.

Ka sao dia tsy foto-drafitr’asa manara-penitra no hatsangana fa famosaviana ny vahoaka manara-penitra? Hatreto dia sady tsy mahafa-po no tsy manaja fotoana ny fananganana ireo foto-drafitrasa lazaina fa manara-penitra ato Menabe. Raha ny fanadihadiana, orinasan’ny akamakama tsy matihanina no mana ireo asa ireny, ka kitoatoa ny fahavitany.