REHEFA TSY HANDRAY ANDRAIKITRA IREO….

Hay ianao ve nihalangalana tsy nikasa handray andraikitra,
Raha tsy teo ny tsindrom-paingotra izay tsaroanao ho nanaikitra?
Nanakiana ny vahiny sy ny iraisam-pirenena,
Izay ianao vao tonga saina, niezaka hanatsara tena?

Fa raha toa ny Malagasy toa anao no mba miteny,
Dia lazaina sy hafokaina fa mirediredy ireny?
“Tsy fitiavana no betsaka, tsy mankaiza ireo fa vitsy”.
Izany foana no hitsarana ireo mba miezaka ny hanitsy?

Praiminisitra, minisitra, ny tale sy ny eo ambany,
Moa tsy ianao, ianao daholo no nametraka an’izany?
Sa dia tongatonga ho azy ireo ilay tsy mahomby ireo,
Ka iny ianao no miala bala sy mampiakapiaka-peo?

Ianao no lohany ka aoka tsy hiafinafina endrika.
Ianao no kapitenin-tsambo na misosa io na ho rendrika,
K’aza ailika amin’ny hafa ireo rehetra tsy fetezana,
Fa ianao no tena sefo, sefon’ny mpanao letrezana!

…Koa anterina eto indray hoe: aza mialaala bala,
Fa ny mahatsara anao dia tsotra ihany: ny miala.
Efa zavatra tsy hay ka aoka re mba tsy hibitaka.
Ampy izay ny laingalainga sy karazam-pitapitaka!

DADAN’i ZINA (18-06-22)