MISY MIHAINO VE NY SENDIKA ?

Moa hitoetra ho resabe sa mba hanova ny tantara,
Ny hafatra ‘zay nampitain’ny sendikàn’ny mpitsara,
Raha nitaky ny hampiatoana, tsy handrenesana intsony
Ireo karazan-teritery sy ny tsindry avy any ambony?

Hanahoana ihany koa ny tenin-dry zareo synady?
Moa ireny ilay kabary ery ambony vavahady
Zary efa mahazatra sy fanao hatramin’ny ela,
Ho an ireo mpitady seza sy mpivadibadi-dela?

Enga anie mba tsy ho izany ry mpitsara sy admisy,
F’efa tena mankaleo ny tranga sy ny zava-misy.
Leon-kabary feno sira ny vahoaka manontolo,
Leo mpitantana, mpitsara, tanalahy mpiova volo!

…Asa raha hanàko marina ao am-pon’ireo mpitondra
Ny hafatra mba nampitaina, na hitohy ny lohan’ampondra.
Fa hatreto aloha tsy mihaino ny mpitondra fanjakana,
Ka dia antso an-tany efitra ny an’ny sendikà mazàna!

IRINA HO TAFITA (18-06-22)