Ministra sy tale jeneralin’ny Jirama – Fahendrena no miala fa tsy voavaha ny delestazy

Ny Valosoa

Maro ireo maneho hevitra momba ny delestazy lavareny tato ho ato, fa fahendrena no miala ho an’ny ministry ny angôvo Andry Ramaroson, sy ny tale jeneralin’ny Jirama Rivo Radanielina, tsy ho voavahan’izy ireo mihitsy ny olan’ny fahatapahan-jiro lava. Andro vitsy izao, vao mainka miha-lava ny fahatapahana, raha tsy nisy afa-tsy indray mandeha teo aloha, ankehitriny tonga hatramin’ny indroa na in-3 ny fahatapahana. M

Efa manomboka mitroatra ny mpanjifa noho izany, toy izany no nitranga teny Itaosy Antananarivo Atsimondrano afak’omaly alina. Efa tsy rariny intsony hoy ny mponina ity ataon’ny ministeran’ny angôvo sy ny Jirama ity, ka mety amin’izy ireo ny manipy baolina fa tsy hiziriziry eo foana, ka hihàran’ny fahatezeram-bahoaka faobe eo ny farany. Efa tena ahiana izay fahatezeram-bahoaka izay ankehitriny, tonga amin’ilay fitenenana hoe: ”efa hipoaka ny sarom-bilany”, ka mety amin’ireo tompon’andraikitra ireo no miala, mba tsy hitobahan’ny rano mangotraka eo, raha hipoaka tokoa izay tena fahatezeram-bahoaka mafy izay. Am-bava homana, am-po mierotra izany, hoy ny fitenintsika izay!