Tanora RMDM – Miala ny mpitondra rehefa tsy hanao fikaonandoham-pirenena

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly ny Jeunes RMDM, na ny Tanora RMDM, rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demôkrasia eto Madagasikara. Nasongadin’izy ireo nandritra izany, fa ny fikaonandoham-pirenena ihany no hamaha ireo olana samy hafa misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

Noho izay antony izay hoy izy ireo, tokony hiala ny fitondrana tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina, rehefa tsy hety hanao izay fikaonandoham-pirenenja izay. Izay ihany no vahaolana amin’izao, mba hialana amin’ny korontana mety hisy mialoha, mandritra ary aorianan’ny fifidianana, hoy ny fanambarana. Efa feno ny fepetra rehetra noho izay hadalana sy fahotana mahafaty ataon’ity fitondrana ity. Mpitondra fanjakana «Tompon-toerana » no misy eto fa tsy «Tompon’andraikitra».

Hitsangana izahay hiteny ny marina eto amin’ny firenena, araka ny fanamafisana nataony. Mitaky ny fikaonandoham-pirenena izahay, satria izahay ato amin’ny FIAM na ny Fanarenana Ifotony an’i Madagasikara, dia mahita ohatra, fa mampisavorovoro ny andinin-dalàna sasany misy. Ny mpanohitra dia tsy mila seza, izany seza izany tsy rombahina fa tonga hoazy aminao raha mety tsara ny ataonao, ary ipetrahan’ny fitombenana izany fa tsy lolohavina an-tampon’ny loha.

Miantso ny FFKM, ny mpitandro filaminana, ny «Communauté internationale» na fianakaviambe iraisam-pirenena, ny vahoaka malagasy rehetra, hampiray feo hanaovana izany fikaonandoham-pirenena izany. Miantso ny «grand corps» rehetra koa izy ireo hanara-dia ny Synad, ka tsy ho baikon’ny mpanao politika, fa hipetraka tsy momba ny atsy na ny aroa hatrany. Fivarotana tanindrazana hoy ihany izy ireo ny fanakantsakanana ny fanatanterahana an’io fihaonambem-pirenena io. Hisy io fikaonandoha nasionaly io hoy ny mpandaha-teny ary hosantarina amin’ny fikaonandohan’ny tanora rehetra, izay hatao eny Mahamasina ato ho ato.