Fitondrana Rajoelina – Hiongana ho azy fa tsy mila haongana hoy Rina

Isambilo

Nanatitra taratasy fitarainana teny amin’ny HCDDED, na ny filankevitra ambony ho amin’ny fanajana ny demôkrasia sy ny fanjakana tan-dalàna teny Soanierana afak’omaly, ny vondron’ny mpanohitra RMDM notarihan’ny filoha lefitra nasiônaly Alain Andriamiseza, sy ny avy amin’ny antoko TIM, nahitana ny sekretera jeneraliny Rina Randriamasinoro. Tsy voahaja ny demôkrasia eto amintsika, maro ireo tsy fandikan-dalàna ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, ka nahatonga azy ireo nanatitra izay fitarainana izay.

Nanambara ny filohan’ny HCDDED Pierre Lenoble, fa misokatra sy mandray ny rehetra ny andrim-panjakana izay tarihany. Fa nararaotin’ny mpanao gazety ny nanontany ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM mahakasika ny raharaham-pirenena, tsy fanonganam-panjakana araka ny filazan’ny mpomba ny fitondrana izao atao izao hoy Rina, io fitondrana Rajoelina io hoy izy dia tsy mila haongana fa hiongana ho azy araka ny zavatra tsy mety isan-karazany, sy ny tsy fahaiza-mitantana misy.

Io ihany koa dia tonga amin’ny fitenin’ny depiote Fidèle hoe:”manga masaka io fitondrana Rajoelina io, ka hihintsana ho azy”. Efa tena mijaly tokoa ny vahoaka ankehitriny, ka ny firarian’izy ireo dia ny haha-tanteraka izany fialan’ny fitondrana Rajoelina mpampijaly vahoaka izany.