Antoko TIM any Nosy-be – Manameloka tanteraka sy mitaky ny hamoahana an’i Ninie Donia

Helisoa

Manoloana ny fampidirana am-ponja an’i Ninie Donia, mpanakanto no sady filohan’ny DISTIM ao Nosy –be Hell Ville faritra Diana dia namoaka fanambaràna ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ao an-toerana. Manameloka ny fanagadràna tsy ara-drariny noho ny tsy fitovian-kevitra na firehana, nefa ady madio ny raharaham-pitsaràna misy.

Manoloana izany, miantso ny tompon’andraiki-panjakàna rehetra ao Nosy-be, mba handinika tsara sy handray fanapahan-kevitra hamahana izao olana izao ao anatin’ny fotoana fohy, satria mety hiteraka savorovoro, sy tsy filaminana eo amin’ny tanànantsika araka ny fanambaràna izao zava-misy izao, indrindra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao.

Noho izany, mangataka ny hamoahana ny filohan’ny DISTIM ao Nosy-be, Ninie Donia sy ireo olona sasany migadra miaraka aminy ao, tsy misy hatak’andro sy tsy misy fepetra izahay. Manentana ihany koa ireo vahoaka ao Nosy-be ho tony manoloana izao toe-javatra izao, hoy ny fanambarana.