EDITO 16 Jona – Tsy mihevitra hanitsy ny diany ny fitondrana

Sôh’son

Nahazo vahana eo anivom-piarahamonina ny fampihorohoroana ara-tsaina amin’ny resaka fakàna an-keriny, indrindra ireo zatovovavy sy tanoravavy tato ho ato. Raha izay no fikendren’ireo olon-dratsy manao izany dia tratrany ny tanjona, satria misy fiantraikany any amin’ireo ray aman-dreny manan-janaka sy mampiana-janaka ao anatin’ireo taona lasibatra ireo izany.

Samy manana ny andraisany izany ny olom-pirenena ary mitodika amin’ny fitondrana efa teo nandritry ny efa-taona latsaka izao. Tranga tsy mbola nisy hatrizay no miseho iainam-bahoaka. Ny vahoaka izay efa maro olana atrehina isan’andro mbola miampy toe-javatra toy izao indray. Miha-fadiranovana hatrany ny sarambabem-bahoaka mahita ny tsy fahita.

Raha mbola tsy miaiky ny lesoka eo aminy sy ny fahadisoany izao fitondrana izao, fa miseho ho mahavita sy hahavita hatrany ny fitantanana ny firenena, dia tsy hisy fihatsaram-piainan’ny vahoaka izany eto. Efa be izay resaka nataon’ny sokajin’olom-pirenena na vondrona sy fikambanana na antoko politika izay ny amin’ny filazana, fa tsy ny laharam-pahamehana amin’ny vahoaka no ataon’ny fitondrana Rajoelina hatramin’izay nitondràny, fa ny azy izay mifanaraka amin’ny kajikajy politikany ihany no tanterahiny sy ilàny doka etsy sy eroa. Ohatra amin’izany ny Colisée naorina amboletra eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, ny teleferika kasaina hatao, sns…

Fa ny fitondrana dia tsy mifofotra mitady vahaolana maika amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana lalina mangeja ny fiainam-bahoaka andro aman’alina, ny fihariana tsy misy tokontaniny, sns… Tsikaritra ho mbola mitohy aza izany raha miainga amin’ireo nambaran-dRajoelina namaly ny fanakianan’ny mpanohitra azy sy ny fihetsik’ireo mpiara-miasa, sy ireo mpiara-dia manohana azy. Tsy miova hatrany ny fomba fiasan’ny fitondrana hatreto amin’izay fiziriziriana hihevi-tena hahavita irery izay. Ny vokatr’izay anefa, midona amin’ny firenena sy ny vahoaka, ary izay no manahirana, satria ny fahadisoana ailiny hatrany amin’ny hafa indrindra ny mpanohitra. Raha mbola izay anefa ny toe-tsaina entina mitondra ny firenena dia tsy hahitam-bokany tsara velively.