Valan-javaboahary arovana any Soalala – Tompon’andraikitry ny faritra miditra an-keriny mitrandraka jàspa

Ny Valosoa

Araka ny vaovao voaray, miditra an-keriny mitrandraka vato sarobidy : jàspa any Soalala faritra Boeny, ny tompon’andraikitra ambony vitsivitsy ao amin’ny faritra. Any amin’ny fokontany Antamboho, ao amin’ny kaominina ambonivohitra Soalala, Faritra Boeny no misy ity fitrandrahana ity. Miditra an-keriny ao anatin’ny Parc Protegé, na valan-javaboahary arovana izy ireo manao izany asa tsy manara-dalàna izany, nefa tsy manana fahazoan-dalana, tsy manana Permis fanaovana vato ihany koa.

Araka ny fantatra, nofoanan’ny ministera ny fitrandrana Vato hatreto aloha. Misy olona any an-toerana, ao amin’ity fokontany Antamboho ity koa, miara-miasa amin’ireo olon’ny faritra ireo, manao izao asa fitrandrahana tsy ara-dalàna izao. Marihina fa efa fantatry ny Police des Mines io Raharaha io, andrasana ny hiakaran’ny raharaha any amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Mahajanga.