Fandikan-dalàna ao amin’ny CUA – Nitory an’i Vazahabe sy ny ekipany eny amin’ny PAC i Clemence

Isambilo

Manoloana ireo fandikan-dalàna misy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), nitory eny amin’ny PAC, na ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly eny amin’ny 67 ha ny talata teo, ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo Clemence Raharinirina.

Nambarany tamin’izany fa mafonja ny porofo ao anatin’ny fitoriana nataony, antontan-taratasy misy pejy 13 ho fitoriana ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany, noho ireo fandikan-dalàna nataony, sy ataon’izy ireo amin’izao fotoana. Isan’ny toriako ety amin’ny PAC ny ben’ny tanàna, ireo mpanolotsaina miara-mandika lalàna miaraka aminy ary tale ao amin’ny CUA hoy Clemence.

Toy izao ny fanambarana nataony momba ity raharaha ity: “Tafapetraka androany 07 jona ny fitoriako ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina sy ireo rehetra MPIRAY tsikombakomba aminy na olomboafidy na olomboatendry amin’ny resaka fangalana volan’ny CNAPS, ny SMGD, ny SMA, sy ireo orinasa maro naorin’izy ireo eo anivon’ny CUA ary koa ireo fandikan-dalàna miendrika KOLIKOLY marolafy. Mbola nitoriako azy koa ny “représailles” ny amin’ity fitoritoriana lava atao anay mpanolotsaina mahasahy mijoro mitoroka ny fandikan-dalàna ity, izay helohin’ny lalàna manankery. Ao amin’ny PAC no nametrahako izany fitoriana izany ary 13 pejy ny fitoriana. Na inona antsojay na inona RAMATAHORA, izaho Clémence RAHARINIRINA dia tsy mihemotra amin’ny fampanjakana ny FAHAMARINANA mikasika ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Koa aza avela hiady irery izahay mpanolotsaina. Isan’andro ny mpanao FB dia entaniko hiantsoantso J+1, J+2, … Mandrapahatongavan’ireo mpandika lalàna rehetra eo anoloan’ny fitsarana. Misaotra an’i Me Eric Rafidison, ny conseillère juridique, sy ireo rehetra na ny any alavitra na ny eto an-toerana nanampy tamin’ny famolavolana ny fitoriana. NY MARINA TSY MBA MATY,” hoy izy.