EDITO 9 Jona – Iray volan’ny ankizy – Nampidi-doza ilay tompon’ny taona 2000

Ny Valosoa

Nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa no nankalazaina voalohany ny Iray Volan’ny Ankizy,isaky ny volana Jona. Ny teny filamatra noraisina tamin’izany dia nanao hoe: “Ankizy ankehitriny, mpanangana ny ho avy, Ankizy ankehitriny tompon’ny Taona 2000”.

Naorina tany Toamasina ny Lapan’ny Ankizy mpisava lalana, ny Kianjan’Ambohijatovo, natao kianja ho an’ny ankizy, nisy mihitsy tamin’izany ny fiarandalamby kely azon’ny ankizy notaingenana, maro ireo fihetsiketsehana ivelany nataon’ny mpitondra nanehoana fa mikarakara ny ankizy hono ry zareo.

Tanisaina lavareny ny zon’ny ankizy rehefa volana Jona, toy ny hoe: zo, hanana ray amandreny, hanana trano fonenana, hanana sora-piankohonana, ahazo fanabeazana ara-dalàna, ahazo fitsaboana raha marary, afaka milalao, sns… fa ankoatr’ireo dia nisy koa ireo fepetra fanao any ivelany naverimberina matetika tamin’ny fampahalalambaovao toy ny tsy fanekena ny ankizy tsy ampy taona hiasa, sy ny tsy fahafahan’ny ray amandreny intsony mikapoka ny zanany na dia maditra aza.

Tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Ravalomanana vao azo lazaina ho tanteraka ny fisitrahan’ny ankizy ireo zo isan-karazany voalaza ireo satria: hentitra ny Filoha Ravalomanana tsy nanaiky ny fisian’ireo lehilahy mandositra adidy, nisy ny nantsoina hoe “test d’ Adn”, hitazonana ireo lehilahy tsy mikarakara ny zanany, tsy andoavambola ny fiterahana tany amin’ny hopitalim-panjakana, zaraina “kits scolaires” ireo mpianatra, mahazo fitsaboana ara-dalàna ary vita vaksiny maimaimpoana ireo ankizy Malagasy, sns…

Nony tsy teo amin’ny fitondrana intsony ny Filoha Ravalomanana, dia nafoy avokoa ireo tombontsoa nositrahan’ny ankizy ary ny tena zava-doza dia ankizy tamin’ny Repoblika faharoa, izay nantenaina ho mpanangana ny ho avy sy tompon’ny taona 2000, no nahazo fitondrana tamin’ny taona 2009, dia mbola eo amin’ny fitondrana izy nanomboka tamin’ny taona 2019 ka hatramin’izao, tsy iza io fa Ingahy Rajoelina, izay efa niaraha- nahita ny nataony, nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita notarihiny dia nikororosy fahana ny fiainan’ny ankizy malagasy, tsy vitan’izany ihany fa dia lasa tsy mpanaja ray amandreny toy ny ataon’ny mpitondra ny ankizy sy ny tanora malagasy.

Amin’izao volana Jona ankalazana ny iray volan’ny ankizy izao dia miverina ao an-tsaina ilay teny filamatra tamin’ny Repoblika faharoa, ilay hoe tompon’ny taona 2000 aloha dia tanteraka iny satria Ingahy Rajoelina sy ny vadiny izay mpitonda dia mbola ankizy tamin’ny Repoblia faharoa, fa ny hoe mpanangana ny hoavy dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no hita, satria tsy misy tsy mahita fa mpandrava fa tsy mpanangana ny mpitondra ankehitriny, ary amin’izao volana Jona natokana ho an’ny ankizy izao dia mirongatra ireo karazana herisetra mihàtra amin’ny ankizy toy ny fangalarana ny zaza varira, ny fanalana voamason’ankizy, ny familiviliana ireo ankizivavy, sns… tsy hita izay vahaolana aroson’ny fitondrana.

Eto ampamaranana dia tsotra ny hamehezana azy, vao mainka namoadoza ny iray tamin’ireo nambara fa mpanangana ny ho avy sy tompon’ny taona 2000, mila ray amandreny matotra ny fanarenana ny fiainan’ny ankizy malagasy.