Zon’ny zaza malagasy, tsy voahaja araka ny tokony ho izy

Sôh’son

Ao anaty iray volan’ny ankizy isika eto amin’ny firenena amin’ity volana jona ity. Rehefa miresaka ankizy, ny zaza malagasy, dia tonga ao an-tsaina ny fanontaniana hoe: tena miaro ny zon’ny ankizy tokoa ve ny tomponandraikitra samihafa ary voahaja ve izany zon’ny ankizy izany raha mijery ny zava-misy?

Manentana ireo fikambanana sy mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy ny minisitra tomponandraikitra ho amin’ny fiaraha-mientana. Mazava loatra fa tsy niteny izany izy raha tsy miditra amin’izao volana ho an’ny ankizy izao, ary asa ny aorian’izany raha mbola hitohy izany na ho variana amin’ny kajikajy politika fomba fiasan’izao fitondrana izao izay mikendry ny hihazonana ny seza amin’ny 2023. Azo inoana fa tsy afa-bela amin’izany izy satria tsy maintsy manàja sy manatanteraka izay lazain’ny « patron »-ny, toy ilay nambaran’i Naivo Raholdina dépioté, fa ny filohan’ny Repoblika no « patron »-ny. Adinony ilay vahoaka nifidy azy, izay asa izay toerana ametrahany azy ireo izany, fa ny filohan’ny Repoblika aloha no voalohany aminy. Atao fitaovana fotsiny ve indrindra ampiasaina rehefa amin’ny fotoanan’ny fifidianana ?

Raha mbola misy zaza sy ankizy mirenireny sy matory eny an-dalambe sy eny ankalamanjana rehetra eny, toy izay fahita eto an-drenivohitra amin’ny toerana maro samihafa rehetra, dia tsy voahaja ny zon’ny zaza ary tsy vahan’ny fitondrana ny olam-piainan’izy ireo. Resabe fotsiny ny sisa sy fandrebirebena vahoaka raha be ireo tsy misy mpiahy na tazanin’ny fitondrana sy tomponandraiki-panjakana fotsiny mangataka eny rehetra eny. Raha mbola maro ireo zaza sy ankizy tsy tafiditra an-tsekoly na voatery miàla an-daharana noho fahantran’ny ray aman-dreniny, dia tsy mbola mahavita ny andraikiny sy tsy tena manao ny asany marina sy mifototra amin’izany na ny eo anivon’ny minisitera mpiahy na ireo fikambanana samihafa miseho ho mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy eto. Efa volan-kankafotra hatrany no hita rehefa amin’ny volana toy izao isan-taona ataon’ireny mpisehatra ireny. Tsy hita mivaingana ny asa sy ezaka vita. Tsy efa tokony hiova amin’izay ve ny fomba fiasa, fa efa misy ny lany andro.