Kaominina Ambohitrimanjaka – Tsy tambo isaina ireo zava-bita

Isambilo

Tafaresaka tamin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, Randriamanalintsoa Ihajason, ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Tsy tambo isaina ireo zava-bita tao amin’ity kaominina ity ny taona 2021, nitohy tamin’ny 5 volana voalohany tamin’ity taona 2022 ity izany.

Tamin’ny taon-dasa, na teo aza ny krizy noho ny lafiny ara-pahasalamana tamin’ny valanaretina coronavirus, maro ireo zava-bitan’ny kaominina: teo ny fanarenana sy fanavaozana ny tobim-pahasalamana CSB II ao anivon’ny kaominina. Fanampiana ireo mpampianatra FRAM, fikojakojana ireo sekoly EPP, fanampiana ny mpianatra sy ny mpampianatra tamin’ireo fanadinam-panjakana: CEPE, BEPC, Bacc. Amin’izao fotoana, foibem-panadinana momba taranja ara-panatanjahantena amin’ny fanadinana bacc Ambohitrimanjaka, noho ny ezaky ny kaominina, sy ny Cisco Ambohidratrimo.

Nanatanteraka fampidiran-drano, nahafahana nanondraka tanimbary 21000 ha koa ny fiadidiana ny tanàna. Misy amin’izany ny lakandrano natao any Antsapanana, ka hatrany Ampiriaka. Mitohy amin’izao fotoana ny fanamboaran-dalana, lalana mampitohy ireo fokontany 25 amin’ny renivohitry ny kaominina, nandritra ny 20 andro no natao, fiaraha-miasa tamin’ny faritra Analamanga. Ny kaominina no niantoka ny solik’ireo fitaovana fanaovan-dalana nomen’ny faritra nandritra izany. Averina rakofana tara koa amin’izao fotoana ny lalana RIP29, izay efa miha-simba, mandritra ny 10 andro eo no anatanterahana ny asa, mampitohy ny tetezana, ka hatrany Ampahamahitsy.

Najariana koa ireo tsena isam-pokontany tany an-toerana, toy ny tao amin’ny fokontany Mahitsy, Fiakarana, Ankadilalana, Ambatolampy. Nampidirana jiro ny EPP Antsahafoy. Nahazo fiofanana ny mpiasan’ny kaominina, fiaraha-miasa tamin’ny GIZ alemà, sy ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Nohatsaraina ny fampidiran-ketra, mahatratra hatramin’ny 60% ny fampidirana ny hetra tambatra ao amin’ity kaominina ity. Eo amin’ny resaka fambolem-bary, nomena masomboly ireo tantsaha, fiaraha-miasa tamin’ny faritra. Tapaka ny tetezana Ambohitrimanjaka tamin’ny taon-dasa, volan’ny kaominina madiodio no nanarenana izany.

Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, azo lazaina ho milamina Ambohitrimanjaka, nahazo fiofanana tamin’ny zandarimariam-pirenena ireo Kartie Môbila miisa 71, izay miasa amin’ireo fokontany miisa 25 any an-toerana. Nomen’ny kaominina fanamiana manokana izy ireo, ary anisan’ny asany ny manome vaovao eo amin’ny resaka fandriampahalemana isam-pokontany. Ankizy latsaky ny 12 taona miisa 271 nahazo kopia, tamin’ny alalan’ny hetsika fanomezana kopia faobe maimaimpoana. Mpivady miisa 34 ihany koa no vita mariazy faobe, mariazy ara-panjakana, ny kaominina no nanampy azy ireo ara-bola, sy ara-taratasy isan-karazany.

Mitohy ny ezaka fampandrosoana ny kaominina, sy ny mponina ao aminy, hoy ny ben’ny tanàna Randriamanalintsoa Ihajason.