RY MANGA LO ERY AMBONY !

Misy fetra, misy fetra izany atao hoe fandeferana.
Tena niezaka ny hangina ireo avy amin’ny fanoherana.
Saingy ankehitriny kosa, tena feno ny kapoaka,
Ka dia tsy hipetraka izy fa hitaona ny vahoaka.

Tsy hitaona mba hikomy, tsy hitaona mba hirotaka,
Toy ny ataon’ny fozaorana efa zatra mihosim-potaka,
Fa hitaona ireo vahoaka mba handinika ny hoaviny,
Sy mba tena hahay hifidy izany lalana hodiaviny.

Ilaina manoloana izany ny hisian’ny fahalalahana,
Fa tsy ny mpitondra irery no handidy sy hibahana.
Mila atsahatra tanteraka ireo karazam-pandrahonana,
Ary koa ireo sakantsakana mety hitera-pifandonana.

Mila ahitsy sy ovàna hatramin’ny fomba fitantanany,
F’efa miharihary loatra ny hadalana sy havendranany.
Raha vao misy ireo mivory dia efa may ny endim-boanjony,
Ary dia ny handrava izany no hany tetika sy tanjony.

Ny zo fototra mihitsy no tadiaviny hopotehina,
Ary ny hanamafy seza, izay no tiany hoketrehina.
Manga lo anefa ireo, tsy maintsy hitontona amin’ny tany,
Ka andrasana tsy ho ela ny amin’izay ho fianjeràny.

DADAN’i RIANA (03-06-22)