EDITO 4 Jona – Fitondrana Rajoelina – Fitondrana tsy afaka mamaha fitarainam-bahoaka

Sôh’son

Tsy maintsy misy sy isehoana vondron’olona na vondrona mpiasa manana olana hatrany isa-kerinandro eto ami’ny firenena. Olana eo amin’ny karama tsy voaray na olana ara-tany izay tena iankinan’ny ain-dehiben’izy ireo tokoa eo amin’ny fiainany. Tato anatin’ny efa-taona latsaka dia niseholany izany olam-bahoaka izany. Ny mahavariana dia miezaka ireny olona ireny manao antso amin’ny filohan’ny Repoblika, fa hatreto na iray aza tsy nahenoina hoe nandre ny tenan’ity iantsoana vonjy sy indrindra ny amin’ny vahaolana natolony. Toy ny antso an-tany efitra avokoa ireny antso ireny, ary azo lazaina ho fitondrana bemarenina na minia tsy mihaino.

Ankoatra ireo notanisaina ireo dia maro ireo sokajin’olona manana olana ary mitaraina na mimenomenona mitady sy miandry vahaolana avy amin’ny fitondrana saingy miàla maina na mahazo valiny ihany fa tsy arak’izay mahafapo na ny notadiaviny mafy. Anisan’izany izao ny fitakiana nataon’ny mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny Seces. Efa hafiriana izay no nanaovan’izy ireo hetsika fitakiana izay sy nampikatsoany ny fampianarana eny amin’ny Oniversité izay, fa mihisatra ny fizotran’ny raharaha. Hany ka ny zanaka malagasy mandranto fianarana eny no mibaby ny vokany noho ny fahatapahan’ny fampianarana.

Tena mbola mitoetra marina ve hoe ny tanora, ireny mpianatra eny amin’ny Oniversité ireny no hoavin’ity firenena ity? Arakaraka ny fikolokoloana amin’ny fanabeazana sy fahalalana mandritry ny fandrantoany fianarana omena azy ireo no iankinan’ny maha antoky ny hoavy azy na tsia. Raha vosobosotra na tsy matotra sy leson-dratsy no atolotra azy ireo, dia arakaraka izay ihany koa ny vokatra ho azo any aoriana. Tomponandraikitra ary tsy afa-miàla amin’izany ny fitondram-panjakana ankehitriny.

Trangan-javatra maro no anaovan’izao fitondrana izao an-tsirambina, kanefa iankinan’ny fampandrosoana ny firenena sy ny hoaviny. Mihevitra ho manao asa fampandrosoana izy kanefa miendrika ravoravo natentina ihany eo amin’ny fiainam-bahoaka izany, fa tsy mahasitrana ny aretina lalim-paka manageja ny vahoaka anaty fahantrana lalina. Rehefa miha mihena sy indrindra miha foana ireny fitarainana sy antsoantson’ny vahoaka matetika ireny, izay vao azo refesina fa misy ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity.