EDITO 2 Jona – Noho ny tsy fahaizan’ny fitondrana Rajoelina – Toa tsy misy ho avy mamiratra ho an’ny zaza sy ny tanora Malagasy

Helisoa

Miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Tsy hita intsony izay atao ka lasa manaotao foana ny olona sasany, satria efa tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato.

Ao ireo manambola no lasa mampiasa vola amin’ny zavatra hanodinany vola maika, toy ny loka isankarazany ary ireo bizina izay manjaka amin’izao itondràn’ny TGV izao. Ny tovovavy Malagasy lasa manao zavatra mamoafady, indrindra amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera, mba hahazoana vola haingana; ka ao ny manao ireny sary mamoafady ireny mba hahazoany vola kely.

Mitombo hatrany ny varotra amorondalana itadiavana vola, na efa mifanisa aza ny mpivarotra sy ny mpividy eny an-tsena, ka na enjehin’ny mpitantana ny tanàna aza dia miforitra eo ihany, satria mamelona vady amanan-janaka , manofa trano sns… Misy ireo tanora mpandraharaha no mba miezaka ihany mamorona orinasa madinika sy salantsalany, nefa tsy afa-manoatra fa be lotra ny hetra aloha amin’ny fanjakàna, hany ka kivy izy ireny.

Misy moa ny mamoifo ka any amin’ny zava-mahadomelina: ny toaka sy rongony no fantany fa anamaivanana ny fahasahiranany. Raha ny zavatra hita aloha hatreto dia toa tsy misy ny ho avy mamiratra ho an’ny zaza Malagasy ary ireo tanora, satria tsy misy mihintsy ny zavatra mba matotra ataon’ny fanjakàna fa dia ny mi-werawera araka ny fitenin’ny tanora azy ihany no atao.

Izao ny resaka Tanamasoandro omena ny Arabo no mahamaika, nefa herintaona sisa dia efa tsy ho eo amin’ny fitondràna intsony ny mpitondra ankehitriny. Ampy kosa angamba izay ny fitondràna ny firenena any anaty lavaka ankehitriny, ka mila mijoro ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka araka ny antso nataon’ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana ny alatsinainy lasa teo.